Tapatapany

Jacaranda

« Coup d’arrêt » : Hotohizina indray ! Miandry ny fankatoavan’ny governemanta dia ho raikitra indray ny hetsika “coup d’arrêt” izay any atsimon’ny nosy no tena hiompanana. Nampisehoan’ny zandary ny fahavononan’izy ireo ny hanohy izany omaly tetsy amin’ny toby Ratsimandrava. Nisy ihany koa ny fanaovana tatitra momba ny vokatra mahakasika izay vita tany atsimo.

RN2 : Sprinter nivadika ambony ambany . Avy any Antsirabe ka hizotra ho any Toamasina no niharan’ny lozam-pifamoivoizana ny fiara fitaterana mitondra ny marika Sprinter. Omaly tokony ho tamin’ny telo ora maraina no nitranga izany teo amin’ny tanàna antsoina hoe Andriaka, raha araka ny vaovao azonay. Maromaro ny naratra tao anatin’ny loza, raha ny fanazavan’izay nahita, ny marimarina kokoa ireo mpandeha tamin’ny taxi-brousse hafa izay sendra nandalo.

D.R

Telma Fibre Vibe

Share This Post