Ambohidratrimo : Enin-dahy nitondra « kalach sy PA » nitety trano efatra

Tokantrano efatra no indray niharan’ny fanafihan-jiolahy tao amin’ny fokontany antsoina hoe Manohilahy, ao amin’ny kaomina ambanivohitra Miarinarivo. Notetezin’izy ireo tsirairay ireo trano, ny alin’ny zoma hifoha asabotsy teo, tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany alina. Nitondra « kalachnikov sy PA” ireo olon-dratsy, raha araka ny tatitry ny mpitandro filaminana. Tao amin’ny trano voalohany dia vola 1.300.000 ariary niaraka tamin’ny peratra volamena sy kavina no lasa. Mbola nitombo kokoa noho izany ny fahavoazana tao amin’ny trano faharoa. Nahatratra 2.200.000 ariary ny vola lasa. Niakatra hatrany, arakaraka ny trano noteteziny ny vola lasa. Tao amin’ilay trano fahatelo dia 3.120.000 ariary indray no nentin’ireo olon-dratsy. Ny trano fahefatra farany izay nandalovan’izy ireo indray dia toeram-pivarotana. Noraofin’ireo olon-dratsy ihany koa ny vola rehetra maty tao, saingy tsy voafaritra ny totalin’izany. Tsy nisy azon’ny olona natao nanoloana an’ireo basy nentin’ny olon-dratsy. Manoloana an’izany ihany koa dia efa nararam-po tsara ny mpanafika. Porofon’izany ny nananan’izy ireo fotoana nitetezana ireo tokantrano efatra. Soa fa mba tsy nisy ny naratra sy ny aina nafoy nandritr’izany fandalovan’ny jiolahy izany.

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication