Tsiazotafo : Fiara may kila forehitra


Nitangorona ny olona, nijoalajoala ny afo. Fiara iray marika Golf III no may kila forehitra teny Tsiazotafo, amin’ilay lalana midina mankaty Behoririka iny, omaly, tokony ho tamin’ny 5 ora hariva tany ho any. Tsy nisy azo natao mantsy, raha ny filazan’ireo olona teny an-toerana, raha tsy tonga ny mpamonjy voina namono ny afo. Tsy nanana ireny fitaovana famonoana afo, « exctincteur », ireny mantsy ny tompon’ny fiara. Araka ny fantatra tokoa dia toa hoe fiara vao avy novidiana mihitsy ity Golf ity ary mbola teo am-panandramana azy ny tompony. Te hampihaingo kely ilay fiara amin’ny fanasiana irony fitavaona fanamafisam-peo, fahita amin’ireo fiara raitra irony ny tompony, raha ny voalazan’ireo manodidina hatrany, ka tamin’izany no nisy « fil » nifampikasoka sy niteraka lelan’afo. Nihazo ny fasiana lasantsy io lelan’afo io ka tsy tana intsony ny firedaredan’ity farany.  Levona tao anatin’ny indray mipi-maso ity fiara tsara tarehy. Fatim-by sisa no hany sisa najoron’ny afo teo amin’ny arabe. Soa ihany koa aloha fa nalaky niala haingana ireo olona nanamboatra ilay fitaovana fa raha tsy izany dia mety hatramin’ny ain-dehibe no indray may kilan’ny afo tao. Tranga izay tokony hampisaina tanteraka ireo tsy dia manisy lanjany loatra ireny fitaovana kely, mety hanavotra aina sy fananana ireny.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication