Ambatondrazaka : Zazavavikely tratran’ny herisetra, handeha an-tongotra ho aty Antananarivo

Jacaranda

zazaTranga mahavariana no nahazo ireo zazavavikely vao 10 taona sy 9 taona; izay tratran’ny herisetra teo anivon’ny mpiraitampo aminy, satria navesatra tamin’izy ireo ny nahazo azy, ka niainga ireto zaza hilefa any Antananarivo handeha an-tongotra. Vola 10 000 Ar no tany amin’izy roavavy miampy fanala iray ary kitapo misy ny entankely handeha hilefa hamonjy andreniny any Antananarivo . Anisan’ny voailikilika hatrany izy mirahavavy ireto tao anatin’ny fianakaviana, satria efa nisaraka ny ray amandreniny. Ny renibeny no mitaiza azy fa ny reniny mipetraka any andrenivohitra. Isaky ny misakafo ao an-tokatrano dia tratran’ny vava ratsy eo amin’ireo zaza samy taizan-drenibe ao an-trano, ka nanomboka tsy nahazaka sy tsy nahatanty izy roavavy kely ka raikitra ny dia an-tongotra niala an’Ambatosoratra ny Alatsinainy tamin’ny 1ora antoandro hihazo an’Antananarivo.Reraka izy ireo ka voatery nandeha taxi-bisikileta ka tonga teto Ambatondrazaka, nandeha an-tongotra indray izy ireo ka tratra hariva tao Ambalabako ka nisy nahita , io no nampandre ny zandary ka itsy farany no nandray andraikitra, niaraka tamin’ny tomponandraikitra eo an-tanàna. Reraka ireto zaza ireto ka tsy maintsy nampiantranoan’ny teo an-tanana nandray azy. Nampanantsoina ny renibeny ,rehefa tonga itsy farany vao fantatra fa nandositra ssatria tratran’ny herisetra izy ireo. Tao Ambatosoratra Ambatondrazaka no nitrangan’ity tantara mampalahelo ity; izay nanambaran’ny tompon’andraikitry ny mponina Atoa Ramerijaonina Parfait fa ezaka goavana no efa atao ,anefa mbola misy ireo olona manaonao foana amin’ny fanariana sy ny tsy firaharahana ny zanaka nateraka, ka tokony hisy ny fepetra goavana raisina. Marihina fa any Ankadimbahoaka Antananarivo no misy ny ray amandrenin’ireto zaza ireto; izay tsy mahalala akory izao tranga izao.

Janus R

Share This Post