Ambohidratrimo : Saika may ihany koa ny Rova

Jacaranda

Tato anatin’ny 5 andro monja, Rova roa no efa saika levon’ny afo : Ilafy sy Ambohidratrimo.

Hatairana ny an’ireo olona rehetra teny amin’ny manodidina an’Ambohidratrimo Marovatana iny omaly hariva tokony ho tany amin’ny 4ora sy sasany tany ho any. Efa niredareda be ny afo teny amin’ny manodidina ny Rova. Velona ny akoralava. Niara nisalahy niezaka nifehy ny afo tsy hitatra avokoa ireo fokonolona teny an-toerana, alohan’ny nahatongavan’ny mpamonjy voina teny an-toerana. Raha ny filazan’ireo mponina teny an-toerana dia nanomboka teo amin’ny 4ora tany ho any no efa nahita setroka be teo amin’ilay kirihitr’ala, teo amin’ny tehezan-tendrombohitra, eo amin’ny 30 m, tsy ho tonga any amin’ny Rova ny manodidina. Tsitapitapitr’izay anefa dia efa niredareda izay tsy izy ny lela afo. Somary maina sy mandrivotra ihany koa omaly ka nanafaingana ny fijoajoalan’ny afo tamin’ireo kirihitr’ala, teny amin’ny manodidina. Raha ny voalazan’ireo nanatri-maso hatrany dia tsy fantatra mazava izay nahatonga ny afo. Ankevitry ny nisy nandoro io tanety ambanin’ny Rova io, raha ny fitantaran’izy ireo hatrany. Samy niezaka nifehy izany afo izany tsy hiakatra ao amin’ny toerana nisy ny Rova avokoa ny olona. Nanahirana ihany anefa noho ny toerana somary kisilasila. Tany ho any amin’ny 5ora hariva tany ho tany no nigadona teny an-toerana ny kamiôbe miisa 4 avy amin’ny mpamonjy voina, niezaka nifehy izany. Efa voafehy tanteraka kosa izany, raha ny filazan’ireo mpamonjy voina, tokony ho tamin’ny 8ora alina teo, tamin’ny fotoana nialanay teny an-toerana. Nampisahotaka ny olona tokoa ity tranga omaly ity. Ny vakom-pirenana izao tokoa mantsy no efa notandidomin’ny afo, toy izay nitranga ny sabotsy lasa teo tetsy Ilafy. Efa niredareda ihany koa ny afo, nanodidina ny Rovan’Ilafy. Tranga izay mahalasa saina ny mpanara-baovao rehetra ihany satria saika nitovy tsy nisy valaka tamin’ity doro tanety saika nahakila ny Vakom-pirenena omaly teny Ambohidratrimo ihany no niseho tamin’io fotoana io. Natao fanahy iniana, saika hamerenana indray ny 6 novambra 1991 ve sa doro tanety tsy voafehy ? Ny fanadihadian’ireo mpitandro filaminana ihany angamba no afaka hamaly izany.

m.L

Share This Post