Mahamasina : Mpanendaka 10 mianadahy nosamborin’ny polisy

Jacaranda

Mpanendaka miisa folo, vavy sy lahy, no nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-5 Mahamasina ny alakamisy andro tsena. Voalazan’ny vaovao fa tena feno ireo mpanao sinto-mahery sy mpangarom-paosy eny an-toerana rehefa alakamsiy ny andro. Nanao ezaka manokana ny mpitandro filaminana io andro io. Polisy nanao fanamiana sivily no nijaiko ireto jiolahy ireto. Tsy teo amin’ny tsena ihany fa hatreny amin’ny fiantsonanan’ny taxi-be. Nahitana vokany izany ary dia izao nahasamborana olona folo izao. Ramatoa 38 taona no lehibe indrindra ary 15 taona ny zandriny indrindra. Monina amin’ny toerana samy manodidina ny renivohitra izy ireo. efa fantapatatry ny mpitandro filaminana avokoa. Tamin’ny fisamborana nataon’ny polisy moa, tsy nisy afaka nihetsika izy ireo fa noraisim-potsiny. Omaly zoma no natolotra ny Fampanoavana ireto olona ireto.

r.s.

Share This Post