Mpisolo-vava nikasi-tanana olona : Nahemotra ny fitsaràna

Jacaranda

Niakatra fitsaràna omaly tetsy Anosy, tao amin’ny efitrano fitsaràna faha-3, ilay raharahana mpisolo vava nikasi-tanana sy nanapotika fiaran’olona teny Ambodifilao. Noho ny tsy fahatomomban’ny antotan-taratasy rehetra anefa dia voatery nahemotra amin’ny 23 janoary ho avy izao izany. Araka ny filazan’i Me Olala, mpisolo vava an’ireo niharam-boina, dia mitaky ny fampiarahana ny antontan-taratasy fitoriana ireo andaniny. Voalazan’ireo notoriana mantsy fa nanitsaka azy tamin’ny fiara ireo olona niharam-boina ka dia nitory ihany koa izy. Mila ny fanatrehan’ny tompon’ilay fiara potika, izay tonga tao tamin’io fotoana io, ary antontan-taratasy avy amin’ny orinasa mpiantoka ilay fiara, araka izany ny raharaha ka dia io nahemotra io. Etsy andanin’izay, noho ity raharaha ity mahakasika mpisolo vava, dia voalaza fa somary nisy ny disadisa,  fandraràna niampy fandrahonana madinidinika, izay nihatra tamin’ity mpisolo vava, mpiaro ireo niharam-boina ity. Kanefa niravona ihany izany taty aoriana, rehefa nijoro hatramin’ny farany araka ny lalàna izy, raha ny voalazany hatrany. Miandry io fotoam-pitsaràna io indray izany ny mpanara-baovao rehetra.

m.L

Telma Fibre Vibe

Share This Post