Tapatapany

Jacaranda

# – Talatamaty. Mpivarotra rongony voasambotra. Ramatoa iray indray no nosamborin’ny polisy misahana ny ady amin’ny fianahan’ny zava-mahadomelina tamin’ny alakamsiy lasa teo teny Talatamaty. Tamin’ny fisavana natao no nahitana fonosana rongony miisa 34. Nilaza ity olona ity fa misy manatitra ao aminy ny rongony ary vidiany 10 000 ariary ny iray sachet. Izy avy eo no mitsinjara azy amin’ny fonosana amidy 200 ariray sy 1 000 ariary. Natolotra ny fampanoavana omaly izy.

# – Mananara Avaratra. Andramena 390 sarona. Bolabolan’andramena miisa 390, mbola vao avy nokapaina no sarona tany amin’ny faritr’i Mananara Avaratra. Natoby tamin’ny toerana iray izy ireo. Tsy mbola fantatra kosa izay tompon’ireto hazo ireto. Efa misokatra ny fanadihadiana amin’izao fotoana izao.

nangonin’i r.s.

Telma Fibre Vibe

Share This Post