Antsirabe : fanapoizinana ara –tsakafo, olona 60 niditra hopitaly

Nahatratra 60 be izao ireo olona nandalo sy naiditra hopitaly vokatry ny fihinanana mofomamy teto Antsirabe  tamina hetsika iray.

Hatramin’izao ora anoratana izao dia mbola mitohy hatrany ireo olona voatery manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly CHRR Antsirabe, vokatry ny fanapoizinana ara-tsakafo tamina « opération gâteau » nokarakarain’ny fiangonana iray tao Mandaniresaka Antsirabe. Mitombo isa hatrany noho izany, ireo tra-boina. Efa tamin’ny 25 desambra hariva no nisehoan’ity tranga ity ka olona miisa 10 no voatery nahiditra hopitaly tamin’io fotoana io, ary hatramini’izao dia efa tafakatra 60 ireo marary. Miakatra hatramin’ny 40° C ny hafanan’ny marary, fanina sy malemilemy ary miafara amin’ny fandoavana ny fisehon’ny aretina, raha ny fanazavan’ny dokotera. Tsy nifidy taona, na lahy na vavy, fa izay nihinana ilay mofomamy rehetra dia tratran’ity fanapoizinana ara-tsakafo ity avokoa. Tsy fantatra hatreto raha ny  akora nanaovana ilay mofomamy na ny  menaka lany daty no antony nahatonga ity tranga ity,  fa dia tonga aloha ny loza ary izao nahavoazana olona maro izao. Ny fanadihadiana no hahafantarana ny tena zava-nitranga. Re ihany koa fa ankoatra ireo olona maro be tao amin’ny hopitaly be Antsirabe ireo dia maro ihany koa no nandalo tao amin’ny hopitaly Andranomadio.

Andry N.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication