Ambalavato : Lalao baolina kitra niafara tamina sakoroka !

Jacaranda

Tsy mbola afaka amin’ireo mpitia baolina kitra hatrany ity resaka rombo ity, raha vao misy lalao ka  tsy mifanaraka amin’izay eritreretiny sy tsy eken’ny sainy ny zavamitranga eo ambonin’ny kianja. Raikitra mantsy ny gidraka tamin’ny lalao nifanatrehan’ Ambalavato 601 mpampiantrano sy Mandraikeniheny. Nizotra ara-dalàna ny lalao nandritra ny fe-potoana voalohany na dia efa samy hita aza fa nifampihantsy ireo mpifanandrina, nampian’ny vavan’ny mpijery moa  vao mainka niakatra ny hafanana. Fihetsika kely monja teny ambony kianja nataon’ny mpilalao roa lahy nifandona  dia efa ampy nampikorontana tanteraka ny lalao taorian’ny nahafidiran’ny mpampiantrano baolina iray. Roa minitra tsy hifaranan’ny lalao no niseho io sakoroka io. Raikitra ny totohondry, ireo mpijery rahateo azo ambara fa efa niandry izay higadonan’ny rombo fotsiny, ka raha vao nanomboka ny sakoroka dia samy nidina teny an-kianja avokoa, na lahy na vavy.

Andry N.

Share This Post