Antalaha : Matin’ny fitsaram-bahoaka ilay lehilahy namono ny vadiny

Jacaranda

Tamin’ny 26 desambra teo, no niseho ny vono olona mahatsiravina  tany amin’ny tanàna antsoina hoe Ankoalabe any Antalaha. Lehilahy iray no namono nahafaty mpianaka. Ireto farany ireto tsy iza fa ny vadiny sy ny zana-badiny ihany. Io alina io, nifamaly izy mivady. Tsy fantatra izay anton’izany fa niafara tamin’ny famonoana izany. Nisy nahita izany famonoana izany, izay zanak’ilay ramatoa. Tokony ho tamin’ny 2 ora maraina no niseho ity zavatra ity. Io zaza nanatrika ny fandehan-javatra io no lasa niantso ny havan’ilay ramatoa ary nitantara ny zavatra niseho. Ilay namono, tamin’io fotoana io efa lasa niala ny trano, araka ny voavao voaray. Tsy niandry ela anefa ireo fianakaviana fa avy hatrany dia nandeha nanaraka ny làlana nalehan’ilay lehilahy. Tany amin’ny fokontany Mahatsara any Ampohibe no tratra ilay nahavanona ny famonoana. Ny loharanom-baovao ihany no nahafantarana fa, tsy nisy ny fifanazavana fa niharan’ny daroka teo izy ary torana nidaraboka tamin’ny tany. Noheverin’ireo olona fa maty ka dia navelany teo ary lasa nandeha izy ireo. Tetsy an-daniny, nisy nahita izany zavatra izany ary nampandre ny polisy . Tsy niandry ela ireto farany nandeha teny amin’ilay toerana ; rehefa nojerena, mbola nitempo ny fony ka dia nentina haingana tany amin’ny trano fitsaboana. Tsy naharitra ela anefa fa fotoana fohy taorian’ny nahatongavany tany amin’ny hopitaly dia tapitra ny ain’ilay raim-pianakaviana. Efa mandeha ny fanadihadiana mikasika izao fahafatesana telo sosona izao.

REMI, Rakotonirina

Share This Post