Raharaha vola sandoka : Nahazo fahafahana vonjimaika ilay karàna

Jacaranda

Niakatra Fampanoavana omaly, ilay raharaha fanaovana vola sandoka izay nahavoarohirohy teratany karàna. Rehefa avy nohenoin’ny mpitsara mpanao famotorana ity teratany vahiny ity, dia fantatra fa nahazo fahafahana vonjimaika. Zavatra isan’ny mahagaga sy nanaitra ny sain’ny maro ihany. Araka ny fantatra sy voalazan’ny mpitandro ny filaminana mantsy dia efa mpamerin-keloka ity karàna ity, izay mbola resaka vola sandoka hatrany. Kolikoly avo lenta tokoa ve sa inona no nitranga ? Tsiahivina mantsy fa tratra am-bodiomby mihitsy ity lehilahy ity, nandritra ny fisavana ny tranony tetsy Antaninarenina. Fitaovana maromaro fanaovana vola sandoka no sarona tao an-tokantranony. Tsy niaiky izay izy nandritra ny fanadihadiana natao azy. Nambarany fa na izy tenany aza dia toa tsy nahalala ny fisian’ireo zavatra ireo, izay tao an-tranony. Toa filazana tsy mitombina mihitsy ! Dia tena zava-mahatalanjona tokoa. Etsy andanin’izay efa voaheloka tamin’io resaka vola sandoka io ny lehilahy dia izao tratra noho izay resaka izay ihany. Fanontaniana mipetraka eny am-bavan’ny maro ny hoe  sao dia natao ho haingo fotsiny ihany ary ve izany ilay lalàna misoratra mazava tsara eny amin’ireo ravim-bola isan-karazany ireo, raha toa ka tsy hampiharina akory ?

m.L

Share This Post