Ambalakisoa Fianarantsoa : Nivoaka sahady ilay namono an’i Dahery tamin’ny fanaovana pointe

Miasaritaka ny sain’ny mponina eto Fianarantsoa raha nahita fa efa miriaria sahady eto an-tanàna ilay tovolahy nahafaty an’i Jean Baptiste Heritiana Razafimandimby, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Dahery.

Nanjombona tamin’ity tovolahy vao erotrerony ity, 27 taona no tena marina, ny alin’ny 11 desambra teo izay nisehoan’ny loza noho ny hetraketratr’ireto zatovo lahy nanao pointe teny Ambalakisoa ireto.

Mandresy an’i Joda. Teo anoloanan’ny Snack Sofia i Dahery no voadonan’ny Peugeot 305 nentina tovolahy iray izay mamo, araka ny fanamarihan’ireo nanatri-maso ny loza. Mafy ny dona nahazo azy ary na ny kitapo kely nisy ny téléphone sy karatra samihafa aza dia tany ambonin’ny tafo teo amin’ny toerana nisehoan”ny loza no hita ny ampitson’ny nisehoana ny loza. Midika izany fa dia mafy dia mafy ny nandonana ity tsy manan-tsiny niampita ny arabe kanjo tonga avy any ireo mpisetrasetra sy te ho deraina satria izay ihany no azo hanazavana izao fihetsika mamoafady izao. Misy tokoa mantsy ny sehatra natao hitsapana ny hery amin’ny ara-dalàna ka maninona no tsy misoratra amin’ireny rallye na run ireny dia ho hita eo raha haresy an-dry Mathieu Andrianjafy na i Joda Ranarivelo.

Hatreto aloha dia tsy ara-dalàna ny nataon’ireto aotomobilina nanao pointe io andro io. Ankoatra ilay 305 dia nisy Golf sy Mégane ary 405.  Mazava ho azy fa tsy tongatonga ho azy ny loza toy izao raha tsy miaraka amin’ny alikaola ary dia niafara tamin’ny famonoana olona.

Tany tan-dalàna. Gina tanteraka ny fianakaviana izay nametraka fanantenana amin’ity tovolahy manana ny maha izy azy ary niasa ao amin’ny “Entreprendre à Madagascar” ao Manakara saingy nanao mission tany Fianarantsoa ny andron’ny nahavoa azy io.

Mbola vao mainka nidonam-pahoriana fanindroany izy ireo nahita fa na dia ho sokajiana ho “homicile involontaire” aza ny raharaha dia efa nivoaka ny fonja sahady ilay tompon’antoka na ny marina ireo tompon’antoka satria raha ny tena izy dia samy tsy misy tokony ho afa-bela amin’izao ireo efatra mirahalahy nanao pointe ireo. Asa aloha fa ny fianakavian’i Dahery dia manao antso ho ren-tany sy ren-danitra mba hisian”ny fitsarana tena marina, araka ny kabarin’ny Filoha Rajaonarimpianina ireny hoe misy “Etat de droit” eto. Raha tsy ohatra angaha samy manana izay heveriny amin’izany tany tan-dalàna izany. Asa lahy…

Andry Rajaona

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication