Ambohimanga : Mpiambina « villa » hita faty tanaty lava-drano

Hatairana tanteraka ny an’ity tovolahy kely iray teny amin’iny faritra Ambohimanga Rova iny, ny voalohan’ny taona teo. Nitsitra sy efa nihoson-drà tanteraka tao anaty lava-drano mantsy ny rainy, lehilahy tokony ho 50 taona mahery tany ho any. Niantsona fokonolona avy hatrany ka indrisy fa efa tsy avotra intsony. Araka ny fantatra dia tsy nisy nahita ny filatsahan’ity rangahy ity tao anatin’io lava-drano io, izay efa tsy nisy rano intsony tamin’io ora sy fotoana io. Mahatratra amina metatra maromaro any mihitsy mantsy ny halalin’ity lavaka ity, raha ny fanazavana azo hatrany. Ny zanany lahy, izay saika hitondra sakafo ho azy ny alakamisy hariva lasa teo, no nahita izao toe-javatra mampahonena izao. Mpiambina « villa » iray eny an-toerana ity rangahy namoy ny ainy ity. Tsy nisy olona tao amin’io tanàna io. Tsy fantatra mazava aloha hatreto izay tena antony nahatonga ny loza. Ankevitry ny mamo angamba izy, tsy nahita ilay lavaka koa dia nianjera tao. Mety ho ahiahy ihany koa ny hoe sao dia nisy nanosika tao anatin’ity lavaka ity. Nambaran’ny tompon’andraikitra tonga nizaha ny razana teny an-toerana fa vaky ny lohany, ka izay no nitarika ny fahatesany. Etsy andanin’izay kosa, fantatra araka ny nambaran’ny mpitandro filaminana fa tsy nisy nohetsehana ny trano nambenan’ity rangahy ity.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication