Itaosy : Dimy mianaka voapozin’ny « poulet de chair »

Samy nanao izay ho afany avokoa ireo olona rehetra mba hifalifaliana tamin’iny fetin’ny faran’ny taona sy fandraisana ny taom-baovao iny. Semban-drahoana kosa anefa ny fetin’ireto mpianakavy kely teny amin’iny faritra Andohatanjona Itaosy iny. Efa-mianaka, lehilahy sy vehivavy efa samy nahazo taona, niaraka tamin’ny zanany lahy manodidina ny 20 taona teo ho eo, no indray niditra hôpitaly taorian’ny fihinana « poulet de chair » ny voalohan’ny taona teo. Ny ampitson’ny fety, omaly, anefa vao fantatra fa nisy poizina ny sakafo nohanin’izy ireo, satria dia nisehoana soritr’aretina nitovizana avokoa izy rehetra. Ny sasany narary kibo, nando sy nivalana. Teo vao samy nikoropaka namonjy toeram-pitsaboana avokoa. Soa ihany fa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ireo ka voavonjy ara-potoana. Araka ny fanazavana azo teny an-toerana dia karazan-tsakafo maromaro no fantatra fa nohanin’ireto olona ireto. Na ny menaka, na ny atody anefa dia samy nadio avokoa. Tany amin’ity akoho fangalàna nofo ity avy hatrany no nitontona ny ahiahy. Tsy fantatra mazava hatreto na zavatra efa simba no nohanina, na akoho nisy fanafody, na ihany koa ratsy masaka. Manaitra ny sain’ireo mpanjifa an’ireo karazan’akoho, izay tena mitobaka tanteraka eny an-tsena, na andro fety io andro tsotra ireo mpitsabo, mba ho mailo tanteraka sy hijery tsara amin’ny fividianana azy ireny. Sao mantsy sakafo mafilotra no tadiavina kanjo aretina, na mety ho fahatesana, no hita. Omaly ihany no nalefa nody ireto mpianakavy voapoizina ireto.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication