Tapatapany

#- Ambatolaona. Môtô nodomina 4×4, lehilahy iray namoy ny ainy. Lehilahy mpitondra moto iray no namoy ny ainy, ny alin’ny alakamisy, voalohan’ny taona lasa teo, manandrify indrindra an’ Ambataloana, distrika Manjakandrina. Araka ny fantatra dia fiara tsy mataho-dalana iray, handeha hiakatra aty an-drenivohitra, no nandona azy. Maty tsy tra-drano vokatr’ity fifandonana mafy dia ity ilay mpitondra môtô. Voalazan’ireo nanatri-maso fa fandehanana mafy loatra no nahatonga ity loza mahatsiravina ity, na ny andaniny izany na ny ankilany.

#- Tsiroanomandidy. Mpianaka maty voatifitry ny dahalo. Nisehoana fanafihan-jiolahy nivaivay indray ny tany amin’ny faritra Tsiroanomandidy iny ny alin’ny talata lasa teo. Dahalo fito lahy nirongo basy no nanafika ny tanànan’Ambodimadiro, fokontany Tindoha, kaomina Bemahatazana. Maty voatifitr’ireo dahalo ireo ny raim-pianakaviana iray, niaraka tamin’ny zanany. Omby 20 kosa no lasan’izy ireo. Nisy anefa ny fifandonana teo amin’ireo fokonolona sy ireo dahalo ireto, ka azo soa aman-tsara ihany ny omby. Tafatsoaka kosa ireo olon-dratsy.

Nangonin’i Ornella (stagiaire)

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication