Antsirabe : Tovovavy kely 15 taona, mamaky trano

Jacaranda

Tratra am-body omby araka ny fitenenana tao amina tokatrano iray, tao amin’ny fokontany Ivory ity tovovavy kely iray vao 15 monja ity, nandraoka ny entana tao amin’ny efitrano fandraisam-bahiny. Araka ny fanazavana azo, dia efa manampahaizana tokoa amin’ny fanapoirana varavarana ity zazavavy kely ity. Voalaza fa manana karazana fanalahidy maromaro mihitsy izy, ka tsy sarotra taminy ny namoha ny varavarana. Tsy misalasala mihitsy ity sipa kely ity miditra ny trano sendra azy  ary raofiny avokoa ny entana mora bataina ao an-trano, ka  ampidiriny anaty baoritra. Efa maro ny trano lasibatra, izao izy voasambotra izao.

Nambaran’ny niharam-boina hatrany fa, toy ireny tompon-trano ireny izy mivezivezy ao an-trano ka raha sendra tratra dia manizingizana fa miandry olona iray, manonona anarana izay sendran’ny vavany izy ary mamonjy fipetrahana. Ireto lasibatra farany ireto aza dia nambarany fa ilay lehilahy nahatratra azy mihitsy no lazainy fa andrasany no sady amborahany fitiavana. Tsy nahomby anefa ny tetika teo, efa fantatry ny olona mantsy ny laza ratsiny ka noraisim-potsiny rakalakely. Efa eo an-tànan’ny mpitandro filaminana ny raharaha ankehitriny.

Andry N.

Telma Fibre Vibe

Share This Post