Itaosy – Isotry : Olona telo voaendaka, voatsindrona antsy sy voadaroka

Lany vola tamin’ny fety ve ? Mirongatra izay tsy izy indray amin’izao ny asa fanendahana. Tsy vitan’ny manendaka anefa ireo olon-dratsy fa mbola mandratra ihany koa. Tetsy Itaosy, ny harivan’ny alarobia lasa teo, olona roa tao ao anaty fiara no nendahina efa-dahy. Zavatra sarobidy maro no azon’izy ireo tamin’ilay olona nipetraka tao amin’ny seza taorian’ny mpamily, naratra mafy voantsindrona antsy kosa ity farany. Nikija dia nikija ny orana, ary nitohana izay tsy izy ny fifamoivoizana. Tao anatin’izany no nohararaotin’ireo olon-dratsy nanaovana ny asa ratsiny. Araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso dia novonjena haingana nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana ilay naratra. Rifatra nitsoaka kosa ireto olon-dratsy raha vao nahavita ny asa ratsiny. Fa vehivavy iray kosa no voaendaka sy voadaroka tamin’ny hazo tetsy Isotry, mbola ny andron’ny alarobia lasa teo ihany. Mbola tao anatin’iny ora-mikija iny hatrany no nanararaotan’ireo mpanendaka nively an’ity ramatoa ity tamin’ny « bois rond ». Vantany vao nidaboka dia avy ireo olon-dratsy nanendaka izay azo nesorina rehetra teny amin’ity ramatoa ity. Naterina teny amin’ny toeram-pitsaboana ity vehivavy naratra mafy ity. Mila mitandrina mihitsy amin’izao fotoana izao fa efa tsy mifidy olona asiana intsony ireo olon-dratsy.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication