Pylônes telo ambenana mafy : Tadiavina harotsaka anaty haizina Tana

 Ao anaty haizina no tadiavina hanaovana ny asa fanakorontanana (sary tahiry)
Ao anaty haizina no tadiavina hanaovana ny asa fanakorontanana (sary tahiry)

Nohamafisina fanindroany indray ny fiarovana ireo andrin-jiro mpizara herinaratra mankaty an-drenivohitra.

Raha noheverina fa nilamina ny asa fanakorontanana taorian’ny fisamborana ireo izay voarohirohy ho tompon’antoka tamin’izany, fantatra fa mbola misy andian’olona hafa indray mikotrika ny hanohizana izay tsy vita. Loharanom-baovao teo anivon’ny mpitandro ny filaminana no nahazoana izany. Tsy niandry ela izy ireo tamin’ny fanamafisana ny fiambenana ireo andrin-jiro mpizara sy mpitondra herinaratra miakatra aty an-drenivohitra. Nampiana ny mpitandro ny filaminana niambina ao Mandraka, Telomita ary Mandroseza, raha araka ny fanazavana azo hatrany tamin’ny loharanom-baovao mitovy. Ny tena tanjon’ireo olon-dratsy dia ny handrotsaka tanteraka an’Antananarivo sy ny manodidina azy ao anaty haizina. Ao anatin’izay no hanatontosana ny fandrobana isan-karazany izay mety ho tonga any amin’ny fangalàna lapa. Saingy tsy tontosa ny tapany voalohany tamin’izany rehefa voasambotra ara-potoana ny mpikononkonona sasany. Tsy nijanona teo anefa izany tanjona izany, raha ny fanangonam-baovao nataon’ny mpitandro ny filaminana hatrany, satria mbola misy mitady hanitatra. Eto an-drenivohitra indray dia mbola mitohy ihany ny fanitarana ny fanadihadiana na dia efa nisy aza ny nidoboka am-ponja. Marobe ny efa votonontonona saingy mbola karohina ny porofo hahafahana ny manamarina raha tena tafiditra na tsia ao anatin’ny asa fanakorontanana izy ireo. Na ny vola noraisin’ireo mpisehatra tao anatin’izany aza dia efa fantampantatra fa manodidina ny 25 tapitrisa ariary ho an’ireo lohandohan’ny mpisorona ary tany Ivandry tany ho any ny toerana nivoriana. Saingy mbola nijanona eo amin’ny siosion-dresaka aloha izany mandra-pahitan’ny tompon’andraikitra amin’ny fanadihadiana izay mety ho fahamarinany na tsia.

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication