Tana : Namafisina ny fiarovana ireo « caserne »

« Fanakorotanana » indray izao no malaza ! Asa loatra raha ny ny alok’ireo fanakorontanana samihafa any Frantsa ve no misy mitady hitarika aty amintsika ? Tsy fantatra intsony aloha, fa ny tsapa sy hita tato ho ato izay, dia miely foana ny feo, ny amin’ny mety ny hisian’ireo karazana fanakorontanana samihafa, mitady hiseho lany etsy sy eroa. Raha tsy hiteny fotsiny any amin’ilay fikasana hanapoaka « pylône » tsy tanteraka fa voafehin’ireo mpitandro filaminana hatrany. Ny fisian’ireo karazana vy maranitra naparitaka eran’ny lalana teto Antananarivo renivohitra, sns. Izao indray dia nandeha ihany koa ny feo, ny asabotsy  teo, fa misy mikononkonona fanakorontanana faobe, izay mety hiafara amin’ny fanafihana ireo toby miaramila sy « caserne » eto an-drenivohitra. Namafisina avokoa araka izany ny fiarovana ireo toby rehetra teto an-drenivohitra, raha ny vaovao azo hatrany, nanomboka ny asabotsy alina  teo. Indrindra indrindra ny teny amin’iny faritr’i Mahazoarivo sy ny manodidina iny. Ity farany dia noho ilay resaka vondron’olona mitaky ny fametraham-pialàn’ny lehiben’ny governemanta. Tranga iray izay mety hararaotin’ny sasany, ka nahatonga io fepetra goavana noraisin’ny teo anivon’ny mpitandro ny filaminana io. Na izany na tsy izany, na tsaho na mety ho zava-misy, dia hita fa efa vonona tanteraka ary tsy hisomonga amin’ireo manam-pikasan-dratsy ireo mpitandro ny filaminana. Ny irarian’ny vahoaka malagasy fotsiny, dia ny mba hisian’ny filaminana sy fitoniana, na ara-tsosialy io na ara-politika, hiadanan’ny ambanilanitra.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication