Ambohidratrimo : Lehilahy maty nihotsahan’ny tany

Maro tokoa ireo tandindonin-doza amin’izao andro fahavaratra izao, na trano io na andrin-tany, izay mora mihotsaka, efa vonton’ny rano. Toy izay nitranga teny Ambohidratrimo, ny alakamisy lasa teo. Lehilahy iray manodidina ny 25 taona no maty nihotsahan’ny tany. Araka ny fantatra dia toeram-piasan’izy ireo ity toerana ity, tsy izy irery ihany mantsy no teo tamin’io fotoana io fa nisy telo lahy, saingy ity lehilahy ity no namoy ny ainy, nahitana faharatrana kosa ny namany iray, ary tsy naninona ilay iray fanintelony. Teo am-perin’asa, teo am-pangalana ranon-tany, mihitsy mantsy izy telo hany ireto, kanjo tsy fantatra izay niseho fa dia nihotsaka tampoka ilay tany. Afaka niala soa aman-tsara izay zava-doza izany anefa ilay lehilahy iray naman’izy ireo, saingy tavela tototry ny tany tao ny roa lahy. Araka ny loharanom-baovao hatrany dia naratra mafy tokoa ireto olona tototry ny tany ireto. Ity iray namoy ny ainy ity no tena voa mafy tokoa satria dia potika ny ilany havia. Nahitana fahatapahana kosa ny taolan’ilay namany iray. Angamba tany betsaka tokoa no indray nihotsaka, ary mafy dia mafy tokoa izay fihotsahana, satria raha ny fanazavana azo hatrany dia potika hatramin’ilay fiarabe saika nentina nitatitra ireo ranon-tany. Raha ny vaovao azo hatrany dia nentina haingana teny amin’ny tobim-pahasalamana ireo olona naratra ireo, ary teo am-pitsaboana no namoy ny ainy ilay rangahy voa mafy.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication