Ambohipo : Nirefotra indray ny baomba mandatsa-dranomaso

Raikitra indray ny sakoroka teo amin’ireo mpianatra sy ny mpitandro filaminana, omaly hariva tetsy Ambohipo. Raha ny vaovao azo tamin’iray tamin’ireo mpitarika dia fantatra fa mbola ao anatin’ny fitakiana ny hamoahana ny naman’izy ireo, Berija, izay nampidirina am-ponja, no anton’ny fitakian’izy ireo ka nanantenany ireo mpianatra teny an-toerana. Efa niatrana teny an-toerana avy hatrany anefa ireo fiara tsy mataho-dalan’ny Emmoreg tamin’io fotoana io. Araka ny filazan’ny solontenan’ireo mpianatra dia toa hoe niditra ary nanitsaka indray ny « frachise »  ireo mpitandro filaminana ka nitarika ny hatezeran’izy ireo. Velona ny tora-bato, nisy ihany koa ny fandoroana kodiarana, raha ny voalazan’izy ireo hatrany. Nirefodrefotra ny baomba nandatsa-dranomaso avy taty amin’ireo mpitandro filaminana, araka ny fitantaran’ny solontenan’ny mpianatra hatrany. Na izany aza anefa, tsy nisy ny fisamborana. Milaza ny mbola hanohy ny hetsika hatrany ireto mpianatra eny amin’ny Anjerimanonotolo ireto, raha toa ka mbola tsy mivaly ny fitakiany, raha ny filazan’izy ireo hatrany.

Nangonin’i m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication