« Journée des officiers » : Poa-basy sy grenady nampisahotaka ny olona

Poa-basy tsy nifandrenesana no re nanakoako teny amin’ireo faritra isan-karazany, nisy toby miaramila na tobin’ny zandary. Anisan’izany ny teny amin’ny faritra Andrefan’Ambohijanahary sy ny manodidina iny. Vao tany amin’ny 4 ora maraina tany ho any dia nirefodrefotra ny basy. « Fa nisy inona ? » Saika izay avokoa no tao am-bavan’ireo mponina teny amin’ny manodidina. Asa raha ny tany marina ve no efa tsy milamina intsony sa ny olona no efa taitam-baombina andro aman’alina eo anatrehan’ireo trangan-tsy fandriam-pahalemana manjaka amin’izao fotoana izao. Noheverin’ny sasany aza fa tohin’ilay siosion-dresaka amin’ny mety hisian’ny trangana fampihorohoroana, amin’ny fanahifana ireo toby maro eto an-drenivohitra ity poa-basy vao maraina ity. Raha ny teny amin’iny faritra iny, ho an’ireo olona sendra tafaresaka taminay, dia nisy tamin’izy ireo no nanamafy avy hatrany ny hidim-baravarana, sy tsy sahy nivoaka ny trano fa noheverin’izy ireo fa niverina indray ny tranga efa enin-taona lasa izay. Ny hafa indray dia naheno feona grenady nipoaka mihitsy. Rehefa nanontaniana mikasika ireo resaka ireo anefa ny manam-boninahitra iray teo anivon’ny zandarimariam-pirenena dia nilaza tsotra fa andron’ireo manamboninahitra na « journée des officiers » ny omaly, ary zava-panao isan-taona, isaky ny 12 janoary izy io fa tsy tranga vaovao akory. « Nisy tokoa ny fanapoahana basy sy grenady. Tsy misy tokony hampisahotaka ny mponina, satria dia tranga efa novoizina sy nambara mialoha tamin’ny haino aman -jery izany zavatra izany », raha ny nambaran’ny Kolonely Ravoavy Zafisambatra, Kômandin’ny tobim-paritra Analamanga. Raha ny fanazavana azo hatrany dia tsy tao amin’ny Toby Ratsimandrava irery no nisy an’ity fankalazana ity fa eran’ireo toby rehetra, toy ny teny Fort Duchesne sy Ankadilalana ary Betongolo, raha ho an’ny zandary manokana.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication