Vohemar : Halatra omby miisa 11, olona iray any am-ponja

Ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ampondra, distrikan’i Vohemar,  dia misy tsenan’omby. Isaky ny roa herinandro io tsena io ary maharitra roa andro. Ny zandary avy ao Vohemar no mitsara ireny omby amidy ireny ka tonga, mifandimby, any foana ireo zandary ireo isaky ny roa herinandro. Tamin’ny alatsinainy 15 desambra 2014 iny anefa dia naheno tsiliam-baovao momba omby halatra avy any amin’ny distrika Antsiranana II, ka nentina mba hamidy aty Vohemar, ireo zandary ireo. Rahefa nokarohin’ireo zandary ireo ny nambaran’ny olona tsara sitrapo nanome ny tsilian-tsofina dia hitan’izy ireo ny omby nandrasan’olona ivelan’ny tsena. Nosamborin’izy ireo ny olona iray niandry omby 11. Nilaza izy fa avy any Antsiranana II ireo omby ireo ary tsy azy irery ireo omby rehetra ireo fa mbola misy namany anankiroa. Nosamborin’ny zandary koa ilay roa lahy nambaran’ilay iray voasambotra voalohany. Rahefa niroso tamin’ny famotorana azy ireo ny zandary dia fantatra fa nirahina hitondra ireo omby ireo hamidy ilay voalohany. Marihina fa nihaona tamin’ireo zandary ireo koa ny tompon’omby, izay nanara-dia ireo ombiny 11 very. Nasehony an’ireo zandary ireo ny taratasin’ombiny sy ny taratasy nilazany ny fahaverezan’ireo ombiny ireo. Nifanaraka tsara tamin’ny  volon’omby voalaza tao amin’ny filazana fahaverezana sy ny bokin’ombiny ny lokon’ireo omby hita sy tratra tao Ampondra ireo. Vokatr’izany dia naverin’ireo zandary tamin’ny tompony  ireo ombiny 11. Rahefa nentina hatolotra ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany tao Antalaha izy telo lahy dia nampidirin’ny Lehiben’ny fampanoavana vonjimaika any am-ponja ny lehilahy iray nosamborina voalohany, fa navotsotra vonjimaika kosa ireo roa lahy. Marihina fa efa nisy zandary nalefan’ny Lehibeny any Antsiranana II mba hanohy ny fanadihadiana hatrany amin’ny solontenam-panjakana miadidy ny famoahana ny bokin-omby, ka ahafahan’olona mivezivezy mitondra amin’ny toeran-kafa toy izao.

REMI Rakotonirina

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication