Ambatondrazaka : Famonoana polisy, olona 8 voasambotra

Olona 8 no natolotra ny fitsarana, ny marainan’ny 13 janoary 2015 teo,  mahakasika ny nahafaty ilay polisin’ny lalam-by aty amin’ny faritra Alaotra. Niaiky tamin’ny famotorana natao azy ny sasany tamin’izy 8 mianadahy ireo; izay nambara fa vokatry ny olana tao anatin’ny alim-pandihizana iray teto Ambatondrazaka,  ka nanaovana tambabe tamin’ity mpitandro ny filaminana ity .Ny marainan’ny 12 janoary 2015 teo, no nidina ifotony tao Ampasambazimba Ambatondrazaka ny  polisy tao aorian’ny fanampim-baovao azony tamin’ny olon-tsotra,  ka nahitana porofo ,nafotaka ny fisamborana satria nisy ny efa nahalala izao ny sasany ka nandositra, mailo sy kinga anefa ireto polisy ka sarona ireo atidoha nahavanona ny loza. Araka ny nambaran’ny kaomisera divizioneran’ny polisin’ Ambatondrazaka, dia iray ihany ny polisy ka tsy maintsy miara-misalahy amin’ny famongorana ny mpanao ratsy. Nanambara ihany koa ny “chef de poste police Madaraill” Raherisoa Jules Mars, fa ny fandriam-pahalemana no tsy maintsy katsahana  hilaminan’ny vahoaka ary manameloka ny famonoana ny mpiara-miasa aminy tahaka izao izy. Hentitra izy amin’ny fandriam-pahalemana na eo amin’ny sehatra iasany (Madaraill) izany na  eo amin’ny tontolon’ny fiainam-bahoaka.

Janus R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication