Andohalo : Mpianatry ny lycée naratra mafy voadonan’ny taxibe

Avy nianatra ary hamonjy fodiana ny mpianatra iray eny amin’ny Lycée Andohalo, no nofaohin’ny taxi-be mampitohy an’Analakely amin’iny faritra iny. Naratra mafy vokatr’izany ity mpianatra izay nirava tamin’ny efatra, ka nidina tsimoramora tamin’ny lalany isan’andro. Raha araka ny fanazavan’ny olona, dia nisongona fiara iray nijanona rehefa nandefa olona hiampita ilay fiara, nisy fiara iray fanindroany nifanena taminy. Vitany ihany ny niala an’iny, saingy tany amin’ilay tanora tsy manan-tsiny no nifatratra ilay taxi-be. Tao anaty fiolahana no nitranga ilay lozam-pifamoivoizana ary izay fisongonana tanaty fiolahana izay ihany koa no isan’ny nitarika ny fifandonana. Teny ambony « trottoir » ilay mpianatra no voadona fa tsy mba tao anaty làlana akory. Ny olona teo amin’ny manodidina no nilaza, fa efa nisy olona roa maty teo amin’io toerana nitrangan’ny loza io.

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication