Berija : Hotsaraina rahampitso etsy Anosy

Rahampitso eny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany etsy Anosy, no handeha ny raharaha Berija Ravelomanantsoa. Maromaro ny vesatra nitazonana azy ary mahakasika asa fanakorontanana, izay tonga amin’ny fikasana hanongam-panjakana izany. Toe-javatra izay toherin’ny namany maro, tsy nitsahatra ny nanao hetsika mba ho famotsorana an’i Berija Ravelomanantsoa. Etsy andanin’izany ihany koa, dia toa manaraka tsy tapaka ireo mpitolona ho an’ity mpitarika grevy eny Ambohitsaina ity ny mpitandro ny filaminana. Ankoatr’izay niseho afak’omaly izay nanarahan’ny Emmo-Sécurité hatraiza hatraiza ireo mpitolona, ka fandravana ny fikasan’izy ireo tamin’ny alàlan’ny baomba mandatsa-dranomaso, dia mbola noravana ihany koa izany tetsy amin’ny CCI Ivato omaly. Tsy afaka naneho hevitra ireo mpitolona, fa raha vao tonga ny mpitandro ny filaminana dia rava maina ny fitokotokonana. Na izany aza dia nilaza izy ireo, fa tsy hijanona intsony ny fitakiana ny famoahana an’i Berija. Raha ny tombana izany dia mbola hisy hetsika indray anio, satria rahampitso dia efa raharaham-pitsarana amin’izay no hitranga.

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication