Kaominina Antsirabe : Solosaina an-jatony maro nanjavona, nisy nangalatra

Nitombo indray ny fahavoazan’ny kaominina Antsirabe ambonivohitra, raha tsy mbola nahitana vahaolana maharitra  ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa, dia niampy iray indray ankehitriny ny olana hovahana. Gaboraraka tanteraka, izay no azo amehezana ny fitantanana ankehitriny, nanjavona tao amin’ny sampandraharahan’ny “voirie” mantsy ny solosaina 412  sy “écran” 28. Nahavariana ihany ny trangan-javatra, satria voalaza fa efa talohan’ny volana oktobra 2014 no nahaverezan’ireo solosaina maro be ireo, saingy nafenina izany ka izao volana janoary izao vao nolazaina. Fantatra fa na ireo teo anivon’ny mpanolotsaina ny Tanàna  aza tsy nahalala ity fahaverezana mihoa-pampana tao amin’ny “voirie” ity, raha tsy izao volana janoary izao. Io rafitra io anefa no miandraikitra ny fanarahamaso ny fananan’ny kaominina. Raha ny fantatra hatrany, nisy mpiambina tao amin’ny sampandraharaha teknika “voirie” nahita maso ny fangalana ireo solosaina ireo sy  nanome vola ireo mpiambina, ary efa nanao tatitra mikasika izany tamin’ny tompon’andraikitra misahana ireo solosaina maro be ireo. Marihana mantsy fa, fanomezana avy tamin’ny Norveziana ireo solosaina ireo; izay mitotaly 1110 ny isan’ny “unité cetrale” ary 107 kosa ny “écran”. Natokana ho an’ny fampianarana eto Antsirabe no nanomezan’ny firenena Norveziana ireo solosaina ireo, nefa  izao nanjavona izao ny ankamaroany. Nilaza ny tsy hanaiky izao fahaverezana izao ny firenena Norveziana ary mitaky ny hamerenana ireo solosaina ireo.

Andry N.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication