Moramanga : Vehivavy voan’ny aretina hafahafa, tsy mety sitrana

Efa telo volana no nahararian’ilay ramatoa iray, izay niantomboka tamin’ny kaikitry ny moka no nahatsiarovany azy, ka izao miafara amin’izao karazana homamiadana izao.Nivonto kely toy ny mony no niandohany ary nitombo ho lehibebe ary niafara tamin’ny fahavakisana ka nivoaka rà sy nana.Nihombo tao anatin’ny fotoana fohy ny aretina, ka lasa fery niitatra hatrany amin’ny tratrany taorian’ny fitarafana nataon’ireo dokotera ; izay efa namerina azy hody any an-tokantranony rehefa nahavita ny fitsaboan-tena naharitrta teny amin’ny hopitaliben’i Moramanga. Mbola manantena ny ho sitrana ity marary ity, ka nakàna mpivavaka handroaka demony tao anatin’ny roa volana izao, sao misy an’izany fa saingy samy niala maina avokoa ireo manana fahefana manokana amin’izany. Nilanja 60kilao izy tamin’ny mbola salama ary nihena ho 30 kilao tao anatin’ny telo volana monja,samy velom-panontaniana avokoa ny mahita azy amin’ny fivoaran’ity aretina ity ; izay mihazakazaka mafy ka mahatonga azy tsy hifandrenesana isaky ny  alina. Mbola manantena ny hahita mirakla ataon’ireo mpivavaka hafa ny fianakaviany manontolo ; izay hiantsoan’izy ireo vonjy amin’ireo karazam-pivavahana mahay an’izany.

CATHY

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication