RN 44 : Potika tanteraka ny 80 % ny làlana

Toa zary hadinon’ny fanjakana ny fandraisana andraikitra amin’ity làlana RN 44 ity, hoy ireo kaoperativa rehetra mampiasa ny làlana mampitohy an’Ambatondrazaka sy Toamasina sy Ambatondrazaka sy Antananarivo. Efa nisy ny fiantsoanay ireo tompon’andraikitra hoy ny lehiben’ireo kaoperativa, fa toa mangina izy ireo. Fantatra mantsy fa vokatry ny rotsak’orana sy ny fampiasana fiara vaventy mitatitra KRAOMA  izay efa ampolony maro ao amin’ny RN 44 ao no tena mahatonga ny olana, tsy voatazon’ny sakan-dalana rahateo izy ireo no sady tsy manaja ny vesatry ny entana zakan’ny lalana .Toerana 5 no tena hatahorana sy ratsy, dia eo amin’ny vahalavan’Andilanatoby (lalana Rabeniasy) izay efa  lavaka be, ka tsy maintsy manakarama traktera 10 000 Ar misintona vao afaka ao, eo ihany koa ny ao Ranofotsy, ny ao Andranokobaka, Ambodirano ary ny atsimon’Andaingo. Mitaraina arak’izany ireto mpitatitra ireto satria potika ny fiara, na sarandalana tsy azo asondrotra intsony, ny fandraisana andraikitry ny faritra toa hadino.Iza sisa no hitarainana hoy ireo mpitatitra  ,ka raha tsy misy ny fepetra horaisina ato ho ato dia hitokona tsy hiasa izahay. Olana aty Alaotra amin’izao fotoana izao ny fahabetsahan’ny rotsak’orana, ka lasa ireo fotodrafitrasa no simba eny fa na ny fiaran-dalamby aza tsy tonga eto Ambatondrazaka intsony fa miantsona eo Vohidiala, andrasana izany ny fandraisana andraikitra, fa raha tsy izany dia hitoka-monina tanteraka Ambatondrazaka.

Janus R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication