Tapatapany

# – Tsiazotafo. Fiara roa nirehitra. Fiara roa no fantatra fa nirehetra teny amin’ny faritry Tsiazotafo, ny harivan’ny alatsinainy. Samy potika avokoa ireo fiara ireo. Hatramin’izao aloha, tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny fahamaizana.

# – Ambohimanarina. Trano nianjera. Trano gasy iray no fantatra fa nianjera teny amin’ny  faritra Ambohimanarina, omaly tokony ho tany amin’ny 10 ora sy sasany tany. Tsy nisy ny olona naratra. Ankoatra izany, nisy ireo trano mitady hirodana tsy maintsy nandraisana fepetra eo amin’ny renivohitra. Ny iray eny Ambatonakanga ary ny faharoa teny Andrefan’Ambohijanahary tsy lavitra ny EPP. Izany rehetra izany dia vokatry ny orana tsy nijanona tao anatin’ny andro maromaro izay.

nangonin’i r.s.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication