Isotry : Telo lahy tratra teo am-pamakiana tsena

Omaly maraina be tokony ho tany amin’ny 2 ora tany ho any, olona telo no tratran’ny polisy nanao fisafoana teo am-pamakiana tsena fivarotana, varavarana vy sy « vitrine », teny Ambalavao Isotry. Tsy nanampo na inona na inona ireto mpangalatra ary dia noraisim-potsiny. Efa nisy entana azon’izy ireo tamin’izay fotoana izay, varavarana sy vitrine. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa tsy misy matory ao amin’ilay tsena ary dia mora ho an’iro mpamaky trano ny niditra. 43 taona ny zokiny indrindra ary 20 taona ny zandriny amin’ireto mpangalatra ireto. Ny iray tsy manana trano fonenana ara-dàlana. Eo anoloan’izao halatra izao, manentana sy miantso hatrany ny mponina eny Isotry ny polisy avy ao amin’ny boriborintany faha-4 hampandre azy ireo faran’izay haingana raha vao misy zavatra hafahafa miseho. Azo antsoina amin’ny laharana telefonina 034 05 998 34 ireo mpitandro filaminana.

Anio alakamisy no atolotra ny Fampanoavana ireto mpangalatra ireto.

r.s.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication