Smart Tanjombato : Nitsoaka ireo jiolahy mitam-piadiana


Tsy tontosa ilay fanafihana noho ny hamailon’ny mpiambina, izay nampiasa ny « alarme » avy hatrany no sady nampandre ny mpitandro ny filaminana ihany koa. Ny harivan’ny talata teo, manodidina ny tamin’ny fito ora, no tonga ireo mpanao ratsy. Izany hoe fotoana fohy taorian’ny nidian’ireo tsena tao anatiny. Rifatra nitsoaka kosa ireo jiolahy nanoloana ny fepetra noraisin’ny tompon’andraikitra tamin’ny fiambenana. Tombanan’ny mpiambina hoe eo amin’ny efatra na dimy eo ny isan’ireo olon-dratsy. Voafaritra ihany koa fa nitondra fitaovam-piadiana, basy izy ireo. Tonga teny an- toerana ny mpitandro ny filaminana ary nanao ny fisafoana ny manodidina, saingy efa tsy hita soritra intsony izay nisy ireo jiolahy.

3030

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.