Carion : Lozan-dalamby, kamiô nodomina lamasinina

Nisehoana lozan-dalamby ,ny alakamisy alina teo, teny Carion. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny mpitandro ny  filaminana, dia tokony ho tamin’ny 9ora alina teo no nisehoan’ny loza, teo amin’ny sampanana Angavokely. Kamiô roa no nifanaraka tamin’izay fotoana izay. Tamin’io ora sy fotoana io no nisy lamasinina nipoitra avy any. Efa tafadika an’ilay lalam-by ilay kamiô voalohany, no mbola nanaraka ilay taoriana. Tsy tana intsony ny fifandonana. Na izany aza anefa, tsy nisy ny aina nafoy, na ny olona naratra. Nahitana fahasimbana betsaka kosa ny vodin’ilay kamiô sy ny lohan’ilay lamasinina. Tonga teny an-toerana avy hatrany ny mpitandro ny filaminana avy ao Carion. Nanaraka azy taty aoriana ny pôlisin’ny gara izay niantsoroka ny fanaovana fanadihadiana ny momba an’ity loza ity.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.