Fisolokiana : Karapanondro sandoka sy seky tsy misy vola no nividianana fiara

Lehilahy iray nivarotra fiara, no voasoloky teny amin’iny faritra Ivato iny, ny faramparan’ny volana jolay  teo. Very tamin’izany ny « Golf type 4 » iray  ary mbola tsy hita hatramin’izao. Raha ny fitantaran’ity lehilahy ity, dia olona roa : vehivavy sy lehilahy no nilaza hividy ilay fiarany tamin’io fotoana io. Efa hatrany am-boalohany no tsapany fa toa tsy mazavazava ireto olona ireto, kanefa noho ny fandraikirekena nahazo azy ireo, dia raikitra ihany ny varotra. Raha ny fanazavana nomeny mantsy, toa hoe nilain’ireto mpisoloky ireto maika ity fiara ity satria hidina any Toliara izy ireo. Noho izany dia taratasim-bola no nomen’izy ireo. Tsy nanaiky izany anefa ity rangahy mpivarotra, saingy nony fahamehana ara-bola dia raikitra ihany. Nandray fepetra ihany anefa izy, nitazona ireo taratasy rehetra momba ny fiara ary naka izay mombamomba ireo nilaza ho mpividy niaraka tamin’ny kara-panondron’ny iray tamin’izy ireo. Noraisina ilay taratasim-bola ary lasan’ireo olona ny fiara. Ny ampitso maraina raha haka ilay vola tany amin’ny banky vao nipoitra ny maha olon-dratsy ireto mpivady. Tsy nisy anto-bola akory ity seky takalon’ilay fiara. Tsy vitan’izay fa, fantatra ihany koa fa mbola kara-panondro sandok’ireo mpividy ihany koa no teny am-pelantanany. Nametraka fitarainana avy hatrany teny amin’ny mpitandro filaminana ity rangahy voasoloky ity. Taorian’ny fanadihadiana no nahalalana, fa hay karapanondron’olona very ity nampiasaina ity ary nanokafan’ireo olon-dratsy kaonty tany amin’ny banky ihany koa. Vokatr’izay, ny vola tsy azo, ny fananana very tsy hita popoka. Marihina fa fiara mbola mitondra ny laharana avy any ivelany izy ity ary miloko volondavenona. Manentana ireo izay manam-baovao mikasika ity fiara very ity araka izany, ity tompony ity, mba hiantso ny laharana 0335144695 na 0335144697, na hampandre ireo mpitandro filaminana akaiky azy. Fa hisy ny valisoa homena, hoy hatrany ny fanazavana. Tsy fantatra intsony tokoa amin’izao fotoana izao izay olon-dratsy, ka aleo mailo foana.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.