Entana maro toy ny: biscuits, ronono, bonbons, sy kojakoja madinika maro samihafa efa lany daty, no mitobaka ao an-drenivohitra Anosy amin’izao. Ireo labotika mpivarotra ambogadiny no tsikaritra amin’izany. Tsy mijanona fotsiny eny amin’ireo mpamongady fa hatrany amin’ireo mpaninjara ihany koa. Ireo mpividy entana eny amoron-dàlana , samy mitondra faisana avokoa, indrindra ireo kilonga mpividy “biscuits sy bonbons”. Mazana amidy amin’ny vidiny ambany ireo entana efa simba ireo, mba tsy hahafatiantoka be loatra. Sitrany ahay…. Mihazakazaka ireo tambanivolo mividy ireo entana mora. Hoan’ireo sendra ireo “bonbons sy biscuits” mora vidy , betsaka no marary kibo sy mivalana. Ny fanadihadiana ihany no nahafantarana, fa tsy ao Fort Dauphin ihany no ahitana ity sehon-javatra ity, fa hatrany amin’ireo distrika roa hafa: Amboasary Antsimo sy Betroka.Tsy heno ary tsy andrenesam-peo ny tomponandraikitry ny varotra any Anosy. Mbola ilaina ny fanentanana ny mponina amin’ny haino aman-jery. Raha izao no mitohy mety hisy fiantraikany amin’ny fahasalaman’ny mponina.
Rfa