Toliara : Tovovavy mpiadina bakalôrea nesorina saron-doha, nitomany



Jacaranda

Hentitra ny tompon’andraikitra tamin’ny fanadinana bakalôrea nifarana omaly iny. Tsy maintsy nesorina hatramin’ny saron-dohan’ireo tovovavy maromaro nanao voaly sy nitondra izany. Tovovavy mpiadina iray tao Toliara no tsy nanaiky, ka nigogogogo mafy nitomany tsy nety nampanginina, nanaitra ny manodidina, raha nesorina ny « foulard » teny an-dohany. Saika nafoy hatramin’ny fanadinana mihitsy, afak’omaly. Rehefa nofotorana kosa ilay tovovavy dia nilaza, fa tsy mety ary fady be amin’ny finoan’izy ireo ny manala saron-doha. « Toy ny mitanjaka izahay raha manao izany », hoy ny fanazavany. Niteraka fanelingelenana sy tsy fifantohan-tsaina teo amin’ireo mpiadina ity tranga ity, ka betsaka no tezitra sy velon-taraina tamin’ny tompon’andraikitra, satria naninona, hoy izy ireo, raha tsy ny alatsinainy naraina teo nanombohan’ny fanadinam-panjakana no efa noraisina ny fepetra hisorohana ny toe-javatra toy izao.

Eric Manitrisa

Share This Post

6 Comments - Write a Comment

  1. Tsy afaka nametra-panotaniana t@ Ratsiraka momba ny 10 août 91 ve ny mpanao gazety hoe : inona no nataon’i Jean Ravelonarivo (Praiministra ankehitriny) niaraka taminy tao anaty hélicoptère tamin’iny fandripahana olona iny. le mpanao gazety koa déphasés indraindray.

  2. Aiza ao anatin’ny lalana no misy fa tsy mahazo misarin-doha ny silamo na ny relijiozy rehefa manao fanadinam-panjakana? izany no midika fa mbola lavitr’ezaka ny zo-ny vehivavy ary tsy mahay lalana na ny mpampianatra aza!

  3. tsara mihintsy izany fanampan-kevitra izany efa manjary mahazo an’izao tontolo izao mihitsy itony voile sy niqab sy burka itony aty France dia efa tena manafitoina mihintsy.

  4. tsara ny discipline fa tokony any ampianarana dia efa informena ny ankizy fa tsy any @ examen

  5. Ary le tovolahy lava volo tany Toamasina izy zay, tsy navela nanao bac raha tsy mitapaka ny volony. Hita @ty fitondrana ty daholo zay tsy fahitra rehetra hatr@zay.

  6. zay le zatra mandray fanampahakevitra petatoko made in madagasikara ,manina ra t@ voalohany d’efa natao mazava ny fitsipidalao

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.