Seranam-piaramanidina Ivato : Sinoa nidaroka pôlisy teo imason’ny mpandeha

Tamin’ny zotra MD 010 izay hihazo an’i Guangzhou no nisian’ity sampona ity. Nisy sinoa mpandeha iray izay, rehefa nandalo teo amin’ny pôlisy misahana ny fiarovana ny sisin-tany (Police de l’Air et des frontières na koa PAF) dia nanangan-tsandry ary nikasi-tànana ilay mpitandro ny filaminana. Raha araka ny vaovao azo teo anivon’ny seranam-piaramanidina dia nisava ny pasipaoro aloha ilay pôlisy. Nisy ny visa. Tsy nijanona teo anefa ny fisavana fa nanontaniana ihany koa ny taratasy hafa toy ny fahazoana alàlana nipetrahan’ilay sinoa teto Madagasikara. Teo amin’izay no niaka-pofona ilay vahiny ka nidaroka avy hatrany. Voatery niditra an-tsehatra ny pôlisy hafa izay niasa tamin’io omaly io vao voatazona ilay sinoa. Nentina tao amin’ny biraon’ny PAF tao Ivato ihany ary natao ny fanadihadiana azy. Saingy ny nahatalanjona ny rehetra dia afaka nandeha tamin’ny MD 010 ihany ny tenany na dia efa nivandravandra aza ny tsy fanarahan-dalàna nataony. Tao no nilaza fa nisy “intervention” avolenta nandeha ka nahatonga ny famotsorana azy avy hatrany. Tsy nolavin’ny loharanom-baovao teo anivon’ny seranam-piaramanidina rahateo ny mety ho fahamarinan’izany. Raha ny marina dia matoa nidaroka toy izao ilay mpandeha dia tena tsy nisy tokoa ny taratasy notakiana taminy. Dia mba aiza ho aiza ny lanja omen’ny vahiny antsika raha olona efa midaroka ny mpitandro ny filaminana toy izao no mbola afa-maina indray noho ny kolikoly? Samy vavolombelona tamin’ny zava-nitranga avokoa ny mpandeha sy ny mpiasa tao Ivato omaly. Ary raha teratany malagasy ve no midaroka mpitandro ny filaminana ao Guanzhou, dia ho afa-maina toa izao ihany koa? Anjaran’ny tsirairay ny mieritreritra…

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

16 Commentaires - Ecrire un commentaire

  1. Aleo hanaovan’ny vahiny azy rehefa tsy hihetsika ny vahoaka malagasy eh. Miseho milay loatra ireo mpitandro ny filaminana mpanotra sy mpanao kidnapping reo!

  2. za koa mieritreritra an’izany ! tsy hisy olona tonga de sahy hikasi-tanana zany, indrindra hoe vahiny raha tsy nisy antony tao, indrindra ka polisy ilay nisava!

  3. ka ny mpitondra ambony nge no mpanome leson-dratsy e

  4. tsy resaka gentillesse fa misy corrompu ao

  5. Ny mba tiako ho lazaina amintsika rehetra malagasy dia izao ihany:matoa isika malagasy ataon’n’y olona (sinoa,vazaha…) toa izao dia sàtria fatany fa afaka manao izany izy, ary tsy hisy sahy hamaly azy.Isika mantsy dia fantatra fa olona mandefitra hatrany ary tsy mba mahay mamaly fa (toujours gentil e!).Raha misy ny concours de gentillesse dia isika malagasy no mahazo ny Palme d’or.
    Tsetsa tsetsa tsy aritra. ..

  6. Mahagaga izany

  7. Vola maha rangahy

  8. zah sûre fa nanao ny asany araka ny tokony ho izy io polisy io fa efa fanaovana tsinintsinona mitsy ny n ilay sinoa.Reo ko moa efa miseho milay ery eto amintsika.Fa amiko tsy tokony ho vita mora zany fa mety nandoa volabe le sinoa zao de afaka !

  9. Marina izany fa zao moa ve ireo tena mahatanteraka ny finiavana nataovy eo aminy asany ? le izy tsy mety fa mbola ho ratsiratsinio ny ahazo an’ireo satria reglement de compte le izy

  10. mba alaivo an-tsaina hoe eto Europe no misy an’izao toe-javatra izao;niafara taiza lay mpandeha(passager)?????

  11. maninona ary ny tenanay no tsy mba eo fona isaky ny misy vahiny midaroka gasy? tonga de vonoko ho faty lo ra za no mahita e!

  12. Na inona antony na inona dia TSY mety fotsiny izao izany hoe midaroka Mpitandro Filaminana izany ny VAHINY e !!

  13. Sao dia tokony ho A LA UNE no nametrahana an’ilay Article !?!^^

  14. · Edit

    Fa ireo polisy ireo koa dia tena misy tsy mahalala fomba mihitsy, ary tena mila vaniny, tsy mino aho hoe nohon’ny fisavana taratasy hahafahana hipetraka no nahatonga ny fifampikasihan-tanana fa nisy zavatra hafa tao, zon’ilay polisy tanteraka ny misava izany fa ny tsy fantatra hoe sinoa mandala ve izy sa sinoa mipetraka

  15. Isika malagasy na eto amin’ny tanintsika aza dia tena tsy misy hasiny mintsy naha ireo mpiaro antsika aza sahindry zareo vahiny no mikasitanana dia afaka ho azy dia ahoana ny madinika?

  16. hahaha!!izany ve natao ahagaga é!!!nametraka kely dia hop lasa

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.