Jeneraly Florens Rakotomahanina : « Fomba nentina tsy hampihetsika izay voasambotra ireny nataon’ny mpitandro filaminana ireny »


Jacaranda
Banky Foiben'i Madagasikara

« Ara-dalàna tanteraka ireny fihetsiky ny mpitandro filaminana ireny »  hoy ny fanazavan’ny Jly Florens Rakotomahanina, omaly raha nitafa tamin’ny mpanao gazety, momba ilay fomba fisamborana mahery vaika nihatra tamin’ny iray tamin’ireo mpianatra, ny alatsinainy teo teny Ankatso. « Fomba fampiasan’ny mpitandro filaminana, na eto na any amin’ny tany mandroso ny « technique d’immobilisation » rehefa somary misy fanoherana avy amin’ilay olona hosamborina » hoy hatrany ny fanazavany. Niteraka resabe, na tamin’ny haino aman-jery sy tamin’ireo sehatra azo hanehoan-kevitra isan-karazany tokoa mantsy, iny fomba fisamborana mahery vaika nataon’ireo mpitandro filaminana tamin’i Jean Pierre, mpianatra eny amin’ny Anjerimanontolo, ny alatsinainy lasa teo. « Tiako ny manamarika, hoy hatrany ity Kômadin’ny fari-piadidian’ny zandary eto Antananarivo ity, fa salama tsara io mpianatra io, fa tsy araka ny feo mandeha akory hoe, tsy mahatsiaro tena izy na ihany koa hoe am-bavahaona ». Hatramin’ny omaly dia mbola voatazona eny amina tobin’ny zandary iray eto Andrenivohitra ity tovolahy voasambotra ity, atao fanadihadiana ary hampiakarina fitsarana amin’ny fotoana mahamety azy, raha ny voalaza hatrany. « Efa nanarina izy tamin’ilay voalohany nisamborana azy iny, fa fandikan-dalàna ny nataony. Namela azy izahay tamin’ireny fotoana ireny. Tamin’io alatsinainy io anefa, dia tsikaritra fa mbola namerina ilay fandikan-dalàna ihany ny tenany ka tsy maintsy niroso tamin’ny fisamborana azy ny mpitandro filaminana, ary hitondra azy eny anivon’ny Fampanoavana » araka ny nambaran’ity manamboninahitra jeneraly ity hatrany.

m.L


Share This Post

18 Comments - Write a Comment

  1. Ny teny no tsy atao be, ny mamerina azy no sarotra!

  2. jeneraly vongadidy ianao ry tananaaaa

  3. · Edit

    Marina ny anao , ity florens rakotomahanina ity sy ilay risara baomba ary i andry rajoelina aloha dia tsy maintsy ho tratra foana na ho ela na ho haingana,.. sao mantsy be eritreritra eo hoe efa 10 na 20 taona lasa izay…. ny taranaka tsy hanadino anareo.

  4. · Edit

    ary ahoana ny hanazavanao ilay miaramla roa nanakana ireo namany tsy hanoy ny daroka ? Nefa izy ireo koa anie mitovy fiainana @ ireo olon-doza nidaroka e.. tandremo ity theorie theorie ity fa mamono olona io. Ny vatana anie ka maharary rehefa darohana e… Tsy maintsy hiaran’ny sazy ireny miaramila ireny.

  5. · Edit

    Hay ve mila miaramila maro sady midaroka @ fomba feno habibiana mandritra ny elabe no mandoro @ courrant.. izany no niaran’ity florens ity ka nahatonga azy ho jeneraly. Tokony mba hampiarina aminy koa izany io fomba io raha toa ka voasazin’ny fitsarana ireny fihetsika ireny ka mila samborina ireo olon-dia nidaroka ireo.
    Izany ny fisainana takan’ny miaramila gasy, afa-baraka ny tanindrazanay

  6. de misy olona sahy mandainga sy mamahan-dalitra mba hahazoana dera sy laza

  7. mba eritrereto ihany ny hiafarana ra jeneraly ô !!
    kodiaran-tsarety ny fianana hoy ilay jeneraly manana ny hajany izay.

    Fomba fisolelahana sy fakana 19 @ mpitondra ireny fa mba te hiakatra jeneraly koa ilay kolonely emmo-reg eto Tanà iny moa mba te hiampy sahady ny an’i flôra.

    izay mantsy no critere azahoana jeneraly eto amintsika hatr@ 2009 no makaty.

  8. Mba mahalala menatra fa aza miteniteny foana ohatran izany fa mba jeneraly ihany. Ny dahalo fohanana raha mahay.

  9. Tssssss, dia izany ve no hanamarinana ireny fihetsika ireny ? Samy manana ny fijaliany io, samy manana ny ady atrehiny @fiainany. Asa ny an’ny mpitandro ny filaminana, tokony ho fitaratra izy @zan asany izany. Rehefa diso dia diso fa ts misy adi-hevitra rehefa manana basy akory.

  10. mazava izany zao ny tsy maha-voafehy ny dahalo sy ny olon-dratsy, eny fa na eto an-drenivohiotra aza. Olona iray, tokana ts mitondra fitaovam-piadina no mila zandary 15 vao mahavita mahafehy azy raha manohitra sy tsy manaiky ho fehezina izy. Ra dahalo iray monja miaraka @famaky zan dia mila zandary 1 na 2 kamiao. Sao d tokn ampiana kintana ndray izy e ?

  11. seza politika io nama ka mieritrereta ihany ,ary fanjakana mahantra i madagascar ka tsy afaka ny hanome an’ialahy garde du corps an ialahy mandramaty ,tsy hanavotra an’ialahy ireny kintana nozaraiana hotrany bonbon ireny ka lanjalanjao ihany é!!na inona na inona zava miseho dia ny zandary en plus ny zandary no natao hiaro ny vahoaka ,ho an’ireo izay tsy maha lala dia izay no tsy hitovizany tafika sy ny zandary ,ka na inona na inona zava niseho dia maha menatra ny tany amandanitra ny zavatra niseho ireny ary dia manongo tena ny tena aminy firesahin(‘ireo mpiara miasa aminy tena aty pars

  12. · Edit

    Tsy dia momba an’Ingahy jeneraly loatra aho fa hatramin’izao izay mahazo toerana sy fahefana eto amin-tsika dia miaro an’io toerana io na dia fantany fa tsy mety ny ataony ary dia manaraka an-jambany ny baiko avy any ambony. Maninona raha alefa any @ toeana be herisetra sy fandrobana ary famonoana olona ireny ireo miaramila mpiaro ny tombotsoan’ny mpitondra sy mpiandry lakazerna sy toby fotsiny ireo nefa karamana vola be

  13. ty floren ty koa otran’i généraly bomba saribakolin’i fitondrana :manina la tsy any ankazoabo no mampiasa hery ra tena lehilahy fa tsy mahery anjorony eto @ tanana eto

  14. Izaho aloh tsy hoe momba an’i Jeneraly fa mba mitoera ianareo amin’ny toeran’ireo miaramila ireo olombelona mitovy aminareo ireo ary manana tokatrano mitovy amnareo ary manana vady amanjanaka koa tsy matory andro
    tsy matory alina rehefa manao planche hoy ny fiteny azy izay dia matory amin’i tany izany hoe raha vao misy zavatra mafampana ohatran’io dia tsy maintsy miandry baiko amin’ny toerana iray izany hoe tsy mahita vady amanjanaka tsy mahita tokatrano tsy mahita sakafo tsara eny ambony latabatra tsy afaka mifampidinika amin’ny zanany isan’andro koa aiza amn’izany izy no tsy ho sorena amin’ny torabato mety ahavoa azy dia miteraka hoazy ny hoe izay tratra eo aloha dia ………….

  15. Manampetra ny zavadrehetra, ny fahefana kely ananana androany entina hamonoana olona, ny tody tsy misy fa atao ihany miverina,

  16. mahagaga fa mba mahalala ny lalàna mifehy ny mpitandro ny filaminana ihany izahay na tsy mitondra bokotra aza ka tsy tokony fahanan-dlitra ny olana tsy mampitovy ny mpitandrony filaminana gasy amy ny firenen-kafa dia ny fanaovana politika 1, ary ny tsy fitandroana ny aina 2, zany hoe: ny lalàna no milaza fa mpiaro ny vahoka izy ary miaro mba tsy hisiany herisetra na inona fisehoanjavatara mandamina sy miaro!!!nefa toy izao tsy mbola nahita eran-tany aho! mahasahy lotra rangahay 5bokotra milaza io!samy miaramila ihany????mandalo ny fahefana

  17. tsy misy fanahy ireny sady tsy mandara

  18. Mba tianao ve ry jeneraly raha ny zanakoa no atao ohatry ireny ! Tadidio fa tsy hipetraka @ io toerana misy anao io ianao mandra-pahafatinao !

Post Comment