Fakàna an-keriny : Telo herinandro aty aoriana, mbola tsy hita ireo karàna



Jacaranda

Hanitsaka ny fahatelo herinandro izao no nisehoan’ilay fakàna an-keriny zanaka karàna iray tetsy Soavimasoandro ary ilay iray hafa tetsy Anosibe. Hatreto anefa mbola tsy misy mangirana ny mikasika ny fanadihadiana mahakasika ity fakàna an-keriny ity. Mbola tsy hita rahateo ihany koa izay toerana misy azy ireo, araka ny fanazavana azo avy amin’ny pôlisy. Raha ny vaovao farany azo ihany koa dia fantatra fa tsy mbola nahazoam-baovao na ireo teratany karàna voatana an-keriny na ny mikasika ireo jiolahy. Mbola tsy nisy mihitsy mantsy fitakiana vola nataon’ireto farany tamin’ireo fianakavin’ireo niharam-boina. Na ilay tetsy Anosibe izany na ilay tetsy Soavimasoandro. Raha ny an’ity tranga farany ity dia ilay antso an-tariby voalohany nataon’ireo olon-dratsy ihany hatreto no fantatra fa fifandraisana nataon’ireo mpaka an-keriny. Tamin’io fotoana io no nampilaza ireto farany ny tsy hampandre ny pôlisy. Asa raha noho izay antony izay no mampilona ny fanadihadiana. Sarotra rahateo ny fiaraha-miasa teo amin’ny fianakaviana sy ny pôlisy, raha ny fanazavana azo hatrany. Na izany aza anefa dia manohy ny fikarohana sy fanadihadiana hatrany izy ireo, raha ny fantatra hatrany.

m.L


Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.