Antsirabe : Vinanto nahandro be menaka, maty kilan’ny petrole


Jacaranda

Maty vokatry ny fahamaizana ny lehilahy iray raha izy nikarakara sakafom-pamadihana tao Mandaniresaka Antsirabe faharoa.

Isan’ireo faritra mbola mitana tanteraka ny fomba malagasy amin’ny famadihan-drazana ny eto amin’ny faritra Vakinankaratra. Vanim-potoanany tanteraka amin’izao fotoana ary saika ahitana ity fomba ity avokoa indrindra manamorona ny lalam-pirenena fahafito iny. Tsy afa misaraka amin’ny famadihana ny fandraisam-bahiny, io rahateo no fotoana hifankahitan’ny mpihavana sy ny fianakaviana tsy nifankahita an-taonany maro.

Misy ny famahanana ireo vahiny sy ny olona nasaina noho izany, na ny vary be menaka. Teo am-pikarakarana ny sakafo indrindra no nitrangana loza iray tao Anjeva Mandaniresaka Antsirabe faharoa. Nirahin’ny rafozany ny lehilahy iray tokony 25 taona hanapoka rano anaty vilany teo ambony afo. Navitrika ny lehilahy nanao ny nanirahina azy, nosokafany ny “bidon” nisy ilay rano ary avy hatrany dia narotsany tao anaty vilany, poa tahaka izay anefa, niredareda ny afo nananika ny vantany ambany iray monontolo hay tsy rano no tao anaty bidon fa solika fandrehatra ( petrole) . Tamin’ny alakamisy 3 septambra lasa teo no nisehoan’ny loza. Tsy nisy nety nitsabo ilay niharam-boina ny mpitsabo nentim-paharazana teo amin’ny manodidina noho ny fahamaizana diso tafahoatra loatra nahazo ity lehilahy ity. Fantatra fa tsy tana intsony ny ainy ampitson’ny naha may azy. Namela kambony iray ity raim-pianakaviana ity.

Andry N.

Share This Post

Post Comment