Baomba tao amin’ny Jirama : Mpitari-tolona telo nohenoin’ny zandary omaly


Jacaranda
Afaka nody ireo mpitarika grevy rehefa avy nohainon’ny zandary (sary Yvon Ram)
Afaka nody ireo mpitarika grevy rehefa avy nohainon’ny zandary (sary Yvon Ram)

Mahakasika ny fahitàna ilay « sachet » mainty tao amin’ny Jirama Ambohijatovo, ny 24 aogositra lasa teo, no antony nanaovana fanadihadiana ireo lohandohan’ny mpisorona eo anivon’io orinasam-panjakana io. Isan’izany i Oliva, Flavien, Tafika ary olona iray fahefatra. Raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana dia baomba tena izy fa tsy sandoka velively, rehefa notilian’ny manam-pahaizana, ilay hita tao amin’io toerana io. Taorian’ny fametrahana fitoriana « contre X » nataon’ny Jirama izany dia nanohy ny fanadihadiany ny mpitandro ny filaminana ary io tonga amin’ny fiantsoana ny olona sasantsasany izay nitarika tolona io. « Heverina fa mety mahafantatra zavatra momba izany ireto lohandohan’ny mpisorona ireto ka nahatonga anay nihaino azy ireo » raha araka ny fanazavan’ny lehiben’ny zandary misahana ny fanadihadiana etsy Fiadanana. Teo anivon’ny fitantànana ny Jirama indray, raha vao fantatra fa tena izy ilay baomba, dia nisy avy hatrany ny baiko navoakan’ny Tale jeneralin’io orinasa io fa tsy azo atao intsony ny mivorivory mba ho fiarovana ny ain’ny mpiasa, ny mpitokona ary koa ny fananan’ny orinasa. Omaly dia hita teo amin’ny manodidina ny zandary maromaro mirongo basy, heverina fa mifandraika amin’izany fepetra izany ny fijanonan’izy ireo teo an-toerana. Raha tsiahivina dia efa nisy baomba hita ihany koa tao amin’io toerana io tamin’ireny krizy 2009 ireny ary nandratra olona aza. Nisy ny olona naiditra tany Tsiafahy tamin’izany fotoana ary nivoaka ka nahazo toerana ambony rehefa nivadika ny fitondràna. Ho an’ny sendika hafa izay tsy mitari-tolona indray dia naneho ny heviny ny sasany fa tsy eken’izy ireo, raha sanatria ka ho tonga amin’izany, ny fitazomana ireo mpitarika sendika ho tompon’antoka amin’ity raharaha baomba ity. Ho an’ireo mpomba ny fitokonana indray dia nambaran’izy ireo fa endrika iray hanafoanana ny grevy ity fampiantsoana ny mpitarika azy ireo eny anivon’ny zandary ity.

D.R

Share This Post

Post Comment