Toliara : Mpiasa an-trano voaolana, nokaikeriny ny filahian’ilay lehilahy

Jacaranda

Tovovavy iray 20 taona mpiasa an-trano no nametraka fitoriana, fa naolan’ny zanaka lahin’ny mpampiasa azy, ny alahady naraina teo, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany, tany Toliara (tsy tononona anarana eto ny fokontany). Raha araka ny fanazavana voaray, dia noteren’ny zanaky ny mpampiasa azy hiray aminy ity vehivavy mpiasa an-trano; izay efa notsiriritin’ilay tovalahy  hatry ny ela. Nandà ilay tovovavy, saingy notolomin’ilay tovolahy sady norokorohiny, ary nesoriny ny silipony.
Faly ilay tovolahy ary nihevitra fa nahazo fafiny noho ny orokoro-batana ilay mpiasa an-trano izay tsy nanohitra intsony. Iny hanatsofoka ny filahiany any am-bavan’ilay tovovavy iny izy, nokaikerin’ity farany ny maha lehilahy azy, saika tapaka sy niboba ra. Nihiaka nahatsiravina ilay tovolahy « maty aho ». Taitra ny teo amin’ny manodidina ary nitangorona ny olona. Nantsoina tamin’ny findainy ny ray aman-dreniny mbola  tany am-piangonana, nampahafantarina ny zava-misy. Voatery noroahina ilay mpiasa an-trano, satria afa-baraka tanteraka sy nitafy henatra ny fianakaviana izay tsongoim-bolo eo an-tanàna. Mbola manaraka fitsaboana kosa ilay tovolahy saika bory filahiana, noho ny hadalany.

Eric Manitrisa

Share This Post

14 Comments - Write a Comment

  1. raha tadidiavin ny azy zan kkkk!!!!

  2. ra zah le sipa dia nekeko satriko aza

  3. akorinaw zay mbol aiz e.kratsy hoe mpiasa antran izy de mpiasa minon ko.adala.

  4. rariny koah, tenz nahau azy le sipa fa fay tsata le papijaly mpiasa reo zay. manaiva ko ny sisa ho jerena rah sah e

  5. Maty balita kely, sady afa-baraka ny tany ama- monina, iza tsony no sipa tian’zany?
    Nahita tsara zay, fa nahazo ny nahay azy. Tokony nitory ihany lay mpiasa @ resaka zon’olombelona fa mety mana-katao marina lay patron dia natao vitavita oazy, tonga dia noroahina, fa io mety mbola hamaly faty io bandy io raha tsy mametraka plainte de réserve lay mpiasa.

  6. · Edit

    HI HI

  7. Hahahaha. Loza koa ty nahazo an’i zandry

  8. Tsy nahay nampinono, mila mianatra @ Reniny aloha.

  9. Ataovy fihavanam-by le izy e!: raha tapaka azo atohy. De mba tandremo koa leitsy a! Sarotra ange ny mianatra filma e! Izao ny tena afa-baraka, ny filahiana marary.

  10. Maty aho basin-janako hoy ny fiteny malagasy

  11. Manino ty anaran’ny fokontany io tsy ambara eto. Olo mpampiasa reto, olo ambony va manank’aja? Dra izao aza; rozy avao mipetraky amin’ny fokontany io? Fonkotany io manontolo zao ro afa baraka fa anak’olo (ambony) toy nanao raha mahafa baraka?

  12. tsara ho azy zany fa angaha raha mpiasa izy dia azonao vetavetainy ,anatra ho an’ireo mpampiasa mznzo tsinotsinoana ireny mpanampy ireny

  13. Efa zatra mpanaikitra filahiana izany. Tsy voalohany ireo no nanao. Mba ahoana moa raha toa ka ny fivavianao no misy manaikitra sy mandrirotra?
    « Mbola ho ho azoko ianao.
    Io malelà anao io hoy ilay sipa @ Gangstabab ».
    Ity zany fa azony ilay zavatra

  14. · Edit

    Misaotra anao ry kala, be herim-po ianao dia misimisia ny vehivahy tsy manaiky lembenana toy izany.

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.