Ankadikely Manazary : Mitaky ny “titre”-ny tany ireo mponina

Jacaranda

Mitaraina ny mponina ao amin’ny Fokontany Ankadikely Manazary fa mbola tsy nahazo “titre” hatramin’izao amin’ny toerana izay honenany. Araka ny filazany dia nantsoina izy ireo hanajary ny tany lavavolo nilaozan’ny vazaha tmin’ny 1980. Lasa tanim-panjakana ity tany ity tamin’ny 1984. Nametraka fangatahana tany amin’ny “ service des domaines” ireto mponina ireto, mba ,ahazoany ny tany. Nisy ny fitsirihana fa voajary ny tany tamin’ny 1986-1996 ka niandry ny “titre” izy ireo. 35 taona nanajariana mbola tsy nahazo “titre” ihany. Nomarihan’ireto mponina ireto anefa fa ny Seimad, 19 taona taty aoriana , 8 jona 1999, dia nahazo “titre” ny 30 aogositra 1999, izany hoe telo volana monja.

Nangonin’i Dominique R.

Telma Fibre Vibe

Share This Post

One Comment - Write a Comment

  1. Efa homena ny sinoa sy ny karana io izao

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.