Moramanga : Fanatsarana ny tanàna, ezaka maro no vita

Fanamboaran-dalana mirefy fito kilaometatra izay tena manahirana ny mponina, sy ny fametrahana ny jiro an-dalam-be, ary ny fanadiovana ny tanàna, no nataon’ny filoha manokan’ny delegasionina eto Moramanga tao anatin’ny fotoana fohy nitantanany ny kaominina. Nijery manokana ny olona tsy an’asa ihany koa izy tamin’ny fanomezana asa ho an’ireo olona 300 tamin’ny alalan’ny asa-tanamaro sy ny fanadiovana ny lalam-pirenena faharoa. Fantatra izany nadritra ny fihaonany tamin’ireo sefom-pokontany 13 niaraka tamin’ireo lefiny avy ny harivan’ny 12 oktobra, tao amin’ny efitrano malalaky ny lapan’ny tanàna.Tsy namela ireo mpiasa mampandeha ny raharaha eo anivon’ity kaominina ity hiaino fotsiny ny fisian’ny fisondrotan-karama ho fito isan-jato ny tenany fa hatramin’ny nandraisany ny fitantanany vonjimaika ny volana jiona, dia efa nampihariny izany ary misitraka izany avokoa ny mpiasa rehetra. Ity fotoana ity ihany koa no nampahafantarana ny lehiben’ny boriborintany eto Moramanga izay vao nandray ny asany ny zoma 09 oktobra teo ka nahafahany nanome toromarika an’ireo masoivohon’ny fanjakana eny amin’ny fokontany ny amin’ny fiatrehana ny fifidianana . Niantso ny olona rehetra ny P.D.S Bernando Germain Berthon Ndrianasy ny hiarahan’ny olona tsirairay amin’ny fampandrosoana miaraka hanatsarana ny tanàna, satria afaka miara-miasa amin’ny rehetra ny tenany ary izany indrindra no nampahatsiahiviny ny anjara andraikitry ny sefo fokontany, noho izy ireo miaina eny ifotony sady mahita mivantana ny zava-mitranga .

Cathy

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Un Commentaire - Ecrire un commentaire

  1. Tsara rehefa misy ezaka toy izany, ny fiaraha-miasa amin’ny vahoaka no hampandroso ny firenena. Ary izay foana no nimasoan’ny Filoha, ny handraisan’ny vahoaka anjara amin’ny ezaka fampandrosoana. Fa tsy miantehitra amin’ny olona iray na olom-bitsy.

Poster un commentaire