Fanolanana mpivaro-tena : Telo volana an-tranomaizina no nahazo an’i Jimmy

Jacaranda

Nivoaka ny didy. Sazy mihatra telo volana an-tranomaizina no nomen’ny mpitsara an’i Jimmy, ilay lehilahy voampanga ho mpanolana sy nampihatra herisetra tamin’ireo mpivaro-tena maromaro teny Analakely. Notontosaina omaly tao amin’ny efitrano voalohany teny amin’ny Tribonaly Anosy mantsy ny fotoam-pitsaràna an’ity lehilahy ity. Nanomboka teo amin’ny iray antoandro teo izay ary naharitra ora vitsivitsy ihany. Isan’ny nahasarika ny sain’ny mpanara-baovao ity tranga somary hafakely ity tato anatin’ny roa herinandro izay, nanomboka tany amin’ny fotoana nisamborana an’ity lehilahy ity, ka hatramin’ny omaly, fotoana nitsaràna azy. Tomefy olona teny amin’ny fitsaràna, na dia hoe tonga hamantatra ireo niharam-boina tamin’izao tranga izao fotsiny aza ny an’ny sasany. Hadisoam-panantenana ny be indrindra angamba raha ny azy ireo. Ankavitsiana tokoa mantsy (ankoatr’ireo niafina), fa tsy toa nitovy tamin’ny fahamaroan’izy ireo ny afak’omaly alina teny Analakely nitafa tamin’ny mpanao gazety no tonga teny amin’ny fitsaràna omaly. « Saingy na tsy teny aza noho ny torohevitry ny mpitandro filaminana, dia naharaka tsara izay niseho teny izahay » hoy ny solon-tenan’izy ireo nantsoina an-tariby omaly hariva. Raha nanontaniana mahakasika izay niseho izay ary indrindra fa ny mikasika ny didim-pitsaràna, ity niresaka taminay ity dia nanambara fa tsy mahafa-po azy ireo velively ity sazy nomena ity lehilahy ity. Marihana fa tsy izay fampiharana herisetra tamin’ny mpivaro-tena izay ihany no nanenjehana an’i Jimmy fa teo ihany koa ny fitanana basy tsy nahazoana alalàna ary ny tsy fananana fahazoan-dalàna mitondra fiara.

m.L

Share This Post

4 Comments - Write a Comment

  1. · Edit

    Kay !! telo volana fotsiny ve hoan’ny olona mitondra basy sy mampijaly olona ary manao tery vaimanta ny vehivavy ?? Tena tsy rariny Olona 76 anefa no nitory azy. Tsiahio va maka mpivarotana izy dia avy eo hambanany basy dia hampanaovina fihetsika feno habibiana toy ny fampidirana zavatra any @ tenan’ilay vehivahy.. mijaly ity farany fa tsy afaka mano=hatra satria voahamabana basy…
    Ity fanajakana miaraka @ fitsarana vilna ity dia tena tafahoantra. Nisy ireo niaro ny ara-dalana dia voagadra nandritra ny telo volana, nefa anie dia tsy nisy zavatra natao akory fa dia voasazy satria tsy mitovy hevitra @ mpitondra. Dia ity biby ity dia telo volana no azony nefa habibiabana no nataony…
    Fitsarana tsy manjary, mila hovaina tanteraka.

  2. eny am-ponja izy be volontaires Mpanolana! 3 mois seront plus que suffisants pour lui fa raha tsy fay @ zay dia efa ………

  3. Justice de façade ou justice de pacotille ?

    Un accusé qui cumule autant de motifs d’inculpation devrait être condamné à au moins 10 ans de peine de prison incompressible.

    3 mois de prison, c’est vraiment pas cher payé ne serait-ce que pour les viols et les violences qu’il a commis.

    Es-ce parce que ses victimes étaient de « filles de joie », des « makorelina » ? C’est vraiment traiter ces personnes de citoyennes de seconde zone.

    Et on ose encore parler de Droit de l’Homme dans ce pays sans Etat de Droit.

    Ces jeunes femmes ont raison d’avoir peur des représailles dans trois mois.

  4. Ka maninona ary ley raha asaina aolan’ireo P…koa?

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.