Fjkm Rangaina : Hankalaza ny fetin’ny taranaka

Hotanterahina ny 24 sy 25 ho avy izao ny fetin’ny taranaka eny amin’ny Fjkm Rangaina. Atao amin’io fotoana io ihany koa, araka ny fanazavana nomen’ireo tompon’andraikitra, ny fitokanana ny fanitarana ny fiangonana eny an-toerana. Mandritra ireo fotoana ireo, ny sabotsy dia hisy koranam-pianakaviana izay atao eny an-toerana. Ary hofaranana amin’ny fiaraha-mivavaka ny alahady. Nanamarika ireo mpikarakara fa hisy ny sakafo amin’ny vidiny mirary amidy eny an-toerana, ary hisy fiara Fiombonana hitondra mankany Rangaina amin’io fotoana io, izay hiainga eo Andravoahangy, akaiky ny banky. Manentana ireo mpianakavin’ny finoana, indrindra ireo zanaka am-pielezaana araka izany ireo tompon’andraikitra mba ho tonga maro eny an-toerana.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire