Betroka : Voasazy hiasa an-terivozona mandra-pahafaty i Tokanono mpimasin-dRemenabila



Jacaranda

Tamin’ny zoma lasa teo no natao tany amin’ny tiribonalin’i Betroka ny fitsarana ilay ramatoa antsoina hoe Tokanono voatondro ho mpimasin-dRemenabila, dahalo nampihorohoro ny faritra maro tany atsimon’ny nosy. Voapanga ity vehivavy ity efa tafiditra ao anatina fikambanan-jiolahy sy vonoan’olona. Nilatsaka ny didy ka fantatra ankehitriny fa sazy faran’izay henjana no nomena azy. Sazy asa an-terivozona mandra-pahafaty.

Araka ny fantatra dia taty amin’ny fonjan’Antanimora izy no notazonina taorian’ny nisamborana azy tany atsimo. Nalefa tany Betroka rehefa natao ny fitsarana. Tsiahivina fa tamin’ny fotoana nampamaivay ny asan-dahalo notarihan-dRemenabila no nisamborana ity olona ity, ny volana septambra taona 2012. Mpitandro filaminana an-jatony no nalefa tany an-toerana nanatontosa ny “Hetsika Tandroka” taorian’ny nahafatesana mpitandro filaminana am-polony. Tomponandrikitra tamin’izany famonoana izany ilay nantsoina hoe Remenabila sy ny tariny. Nisy ny sary izay navaoka ho fantatry ny rehetra fa io izany olona mampitondra faisana ny any atsimo izany. Tamin’ny fikarohana azy, raikitra ny haza lambo saika nanerana ny tanàna, havoana ary lohasaha maro tany an-toerana. Niafara tamin’ny fisamborana an’i Tokanono izany. Izy io dia nolazaina fa mpanao fanafodin’i Remenabila. Tratra tany miny ny ody gasy marobe isan-karazany izay nofonosina tanaty lamba miloko mena.  Telo taona taty aoriana, notsaraina izy ary dia izao nogadraina any Betroka izao.

nangonin’i r.s.

Share This Post

4 Comments - Write a Comment

  1. Mba nisy mpanao gazety nanatrika ny fitsarana ve? Mba tiana ho fantatra inona sy inona no heloka , ary inona sy inona no manaporofo ny heloka? Raharaha mampalahelo no mahamenatra ity raharaha ity. Raha « ody gasy iray fonosana menamena » dia mahameloka eo amin’ny Fitsarana Malagasy, dia tokony hekena koa ny fampiasana ny tangena satria iray tarika ireo. Aza mba henon’ny any ivelany ity raharaha ity fa dia hataon’izao tontolo izao fihomehezana isika…

  2. Ary mba lasa aiza ary remenabila 🙂

  3. I Rtoa Tokanono tafiditra amin’ny resaka fikambanan-jiolahy sy vonoan’olona no antony anagadraina azy. Fa ny tena atahorana izao dia mety hisy hanafika ny fonjan’i Betroka hanavotana an’i Tokanono satria mbola mety ilain’ny dahalo ny fahaizany

  4. Izao no atao hoe tribonaly gaboraraka .
    Mpanao fanafody gasy ve dia gadraina feno an’izany eran’ny Madagasikara na ireo mpitondra aza tsisy izay tsy manana ny mpimasiny na mpanao fanafodiny koa maninona no tsy hampidirana am-ponja daholo milaza fa domelina i Rajoelina fa ity vao maika loza tsisy zava-bita angamba dia mampiseho hoe miasa ny tany tan-dalana.
    Ridicule !!!

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.