Manjakaray : Miverina indray ny famakiana fiara

Isan’ireo toerana maro fiara mipetrapetraka, eny amin’iny faritra Manjakaray sy ny manodidina iny. Raha efa nilamindamina tao ho ao izay ny famakiana fiara, dia niverina nanjaka indray izany ankehitriny. Ny alahady alina lasa teo, akory ny hagagan’ny olona maromaro tompona fiara mipetraka amin’iny faritra iny, fa efa fitaratra vaky sy fitaovana maromaro tao anaty fiara no nanjavona. Araka ny fantatra teny an-toerana, dia teo aloha teo ireo kodiarana, indrindra ireny « jantes alu » ireny no tena alain’izy ireo, amin’izao fotoana izao dia ny zavatra ao anaty fiara, miaraka amin’ny « batterie » indray no angalarin’ireo mpamaky fiara. Nambaran’ireo mponina teny an-toerana hatrany, fa misy miandry soa aman-tsara ny ankabeazan’ireo toerana misy fiara mijanona eny an-toerana, fa mbola hitan’ireo olon-dratsy ihany ny fomba hamakiana ilay fiara. Tsy i Manjakaray ihany anefa, fa n’aiza n’aiza eto Andrenivohitra dia saika mihamiverina foana ity famakiana fiara ity. Ary na dia efa maromaro aza ireo voasambotra, toa mbola misy foana no mipoitra, ary ny mahagaga indraindray, dia toa olona efa voasambotra ihany no miverina manao ny asa ratsiny indray.

Fa tsy amin’izay resaka izay ihany, mahagaga ny maro tokoa, fa misy ny olona efa fantatra fa jiolahy, mpanendaka sy tontakely, no toa amam-bolana na andro fotsiny aza dia iny fa miverina indray manao ny asa ratsiny, kanefa hitam-poko fa voasambotry ny mpitandro filaminana izao. Aiza ny lesoka araka izany ? Ny rehetra angamba no tokony ho samy handray andraikitra raha tiana ho fongotra ity tsy fandriampahalemana miha maharo vahana eto Andrenivohitra ity.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Un Commentaire - Ecrire un commentaire

  1. Izay fiverimberenan’ny mpanendaka sy jiolahy izay no mahatonga ny olona handray fepetra ka hanao ny fitsaram-bahoaka.
    Aza gaga intsony isika raha misy ny BARBECUE tampoka eny an-tsena.

Poster un commentaire