Isotry : Voasambotra indray i Mogli sy ny namany roa

Tsy mijanona ny hetsika ataon’ny polisy ao amin’ny boriborintany fahefatra amin’ny famongorana ireo karazan-jiolahy mampintaitaina ny mponina eny an-toerana. Fantatra izao fa voasambotra omaly indray ny mpanendaka miisa telo tarihin’izany Mogli izany. Tsy lavitra ny EPP Isotry izy ireo no traingo. Nilefa nandositra ry zalahy raha vao nahita ny mpitandro filaminana nefa rehefa nifanenjehana dia azo ihany. Toerana maro no fantatra fa famelezan-dry zalahy ireo. Eny amin’ny Tetezan-dRamala, Tetezan’i Bekiraro, EPP Isotry sy ny toerana maro. Mody mivarotra CD na kiraro tonta izy ireo. Fotoana itiliany izay hoendahany. Tsy mifidy ora na fotoana izy ireo fa rehefa misy irika kely dia ataony amin’ny fanaovany azy izay tratrany. Amin’ny ankapobeny, ny vao maraina na ny hariva somary maizina no fotoana fanendahan-dry zalahy, hoy hatrany ny vaovao. Nanao antso ny mpitandro filaminana ho fiaraha-misa hamongorana ireo jiolahy. Efa manomboka ahitana vokany izany amin’izao fotoana izao.

Tsindrian’ireo mpitandro filaminana eny amin’iny faritra anjakan’ny asan-jiolahy iny fa ny ankamaroan’ireo mpanendaka eny an-toerana dia bandy  mpamerinkeloka avokoa. Maro ireo nosamborina, hoy izy ireo. Migadra tsy ela any am-ponja ry zalahy. Rehefa mivoaka anefa dia mamerina ny asa ratsy fanaony. Ezaka maro sy sarotra anefa ny fisamborana azy ireny satria tsy mandry andro, tsy mandry alina manao izay hanamafisana ny filaminam-bahoaka. Araka izany, tsara tokoa raha misy fepetra henjana ho an’ireo mpanendaka ireo. Toa herimpo very maina ihany ny an’ny mpitandro filaminana  manao izay ho vitany amin’ny famongorana ny asa fanendahana sy sinto-mahery isan-karazany nefa ry zalahy vao mahavita ny saziny dia ireny indray mampihorohoro ny olona.

nangonin’i r.s.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire